• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Fernandcello/ Sitenyr
Image
Vaovao

Siteny Randrianasoloniaiko - Mihava Tour Mananjary : Tsy nahazo niainga ny fiaramanidina, sakanan'ny mpitandro filaminana ny kianja

25/03/2023 08:13 © Moov.Mg

Mananjary, 05 ora maraina : Feno mpitandro ny filaminana ny manodidina ny toerana izay kasain'i Siteny Randrianasoloniaiko anatanterahana ny Mihava Tour androany sabotsy 25 martsa.

Sakana amin'ny famoriam-bahoaka

Efa miantsona manoloana ny toerana famoriam-bahoaka ao Mananjary ny mpitandro ny filaminana, androany maraina vao mangiran-dratsy, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny mpanao gazety Fernand Cello. Tsy mety mamaly fanontaniana moa ny lehiben'ny zandary na dia niezaka nangataka fanazavana aza ireo mpanao gazety.

Antsojay nataon'ny ACM

Araka ny nambaran'i Siteny Randrianasoloniaiko dia efa nanomboka omaly ireo sakantsakana natao taminy. Tsy nomen'ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) alalana hiainga mantsy ny fiaramanidina manokana (vol privé) tokony hitondra ny solombavambahoaka 6 mirahalahy ho any Mananjary.
« Izao sahady dia efa manampim-bava sy manakantsakanana ny fanehoan-kevitra ny Fitondrana. Vao tamin’ny maraina nefa ry zareo no nilokaloka sy nanaiky nandritra ny fivoriana nokarakarain’ny CENI fa tokony avela malalaka ny fanehoan-kevitra. Tsy mendrika an’izao fomba ratsy izao ny firenentsika » hoy i Jean-Jacques Rabenirina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanambara koa i Voninahitsy Jean-Eugène fa mitory izao fihetsika izao fa « feno fatahorana ny Mpitondra ka tsy mamela ny hafa haneho hevitra. Ry zareo nefa efa manomboka propagandy amin’ny vola tsy avy any am-paosiny. Tena tsy azo ekena mihitsy ».

Ady politika

Andrasana ny tohin'ny vaovao na ho tanteraka ihany na tsia ny hetsika androany. Tsiahivina moa fa fihainoana ny vahoaka manerana ny Nosy no tanjon'i Siteny Randrianasoloniaiko. Ambaran'ity farany matetika fa mbola tsy tafiditra anaty fampielezan-kevitra izany. Ny tenany rahateo mbola tsy nanao fanambarana ofisialy ny amin'ny hilatsahany amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023.
Irariana ny hisian'ny fahalalahana amin'ny fihaonana amin'ny vahoaka, na ho an'ny mpitondra na ho an'ny antoko mpanohitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo