• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Niaina Ramanan'Tseheno
Image
Vaovao

Dezy Monstre : Omem-boninahitra farany etsy amin'ny Palais des Sports Mahamasina

20/03/2023 19:29 © Moov.Mg

Mpilalao baolina kitra fanta-daza teto Madagasikara, tamin'ny taona 70-80, i Désiré Rakotonirina na i Dezy Monstre. Etsy amin'ny Palais des Sports Mahamasina izy no andrasana izao alina izao, ho mariky ny fankasitrahana azy sy fiaraha-miory amin'ny fianakaviany.

Omaly hariva no nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-66 taonany i Dezy Monstre. Efa tsy salama nandritra ny fotoana maharitra moa ny tenany. Ahatsiarovana azy ireo sary niavaka niaraka tamin'ny baolina kitra na dia tsy niakatra an-kianja intsony aza izy noho ny fahanterana. Tsiahivina moa fa noho ny vatany lehibe sy ny tanjany no nahatonga ny anaram-bositra hoe "Monstre".
Anisan'ny mpikarakara ny fiandrasana an'i Dezy Monstre ao amin'ny Palais des Sports Mahamasina ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra eto Madagasikara. Rahampitso alarobia 21 martsa no hanainga eto Antananarivo ny nofo mangatsikany. Any Fandriana moa no anatanterahana ny fandevenana ity andrarezin'ny baolina kitra malagasy ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo