• Cours de change
  • 4632.19 AR
  • |
  • $4362.2 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ody sery natoraly sy tena mandaitra

17/03/2023 16:49 © Moov.Mg

Anisan’ny aretina tena manorisory ny sery : tsentsina ny orona, marary ny loha, tsy mahazo aina… Matetika dia misinda ho azy ny sery rehefa afaka 5 na 10 andro. Indraindray koa anefa mila manatona mpitsabo rehefa miampy fanaviana ny soritr’aretina. Te ho sitrana haingana ve ianao ? Ireto ary misy ody sery natoraly sy mandaitra azo atao.

Voasary makirana sy tantely : ody sery mahomby

Mitahiry tahana vitamine C ambony ny voasary makirana. Ny fanafangaroana azy amin’ny tantely dia manome ody sery tena mandaitra tokoa. Manampy betsaka amin’ny fampitomboana hery fiarovana ny singa hita ao amin’ireo akora natoraly ireo. Mampitony sy mampisinda vetivety ny sery ny fihinanana rano mafana asiana tantely sy voasary makirana. Mety amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe io karazana ody sery io. Marihina kosa fa tsy mahazo mihinana tantely ny zaza latsaky ny herintaona.

Ron’akoho gasy sy sakamalao, ody sery sady mampody aina

Ody sery haingam-piasa sady mampody aina ny ron’akoho gasy. Ny fisotroana azy dia mampitony vetivety ny orona tsentsina. Rehefa voan’ny sery dia mahatsiaro reraka ny vatana satria miady amin’ny viriosy ny hery fiarovana. Mampiverina aina vetivety kokoa ny fisotroana ron’akoho. Ezahina mba atao mafana tsara ny rony ary tsy adinoina ny manisy sakamalaho voakiky aminy. Tsara raha atao somary betsaka ny fatran’ny sakamalao mba hasitsiaka tsara ilay rony ka manafana ny tratra rehefa misotro azy.

Ranon-tsira, mampitony haingana ny sery

Ody sery tena mahomby ny ranon-tsira. Maro ny fomba fampiasa azy ampitoniana ireo soritr’aretina mateti-pitranga rehefa voan’ny sery. Ny fanadiovana ny orona amin’ny ranon-tsira dia manampy amin’ny fampitoniana ny orona tsentsina. Azo atao ihany koa ny manao evoka ranon-tsira mba ampisokatra ny lalan-drivotra ka manasitrana vetivety ny sery. Maka rano 1 litatra, asiana sira 1 sotro fihinanana. Afangaro tsara alohan’ny hampangotrahana azy. Io ranon-tsira mamay tsara io no atao evoka rehefa hariva alohan’ny hatory.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo