8 martsa 2023 : Fanehoana an-tsary ireo fitafy gasigasy miavaka tetsy Mahamasina
Fotoana anehoan'ny vehivavy ny tena hakantony ny fety isan-karazany. Omaly izao dia maro ireo vondrona no nisafidy fitafy sy haingo manokana, anehoana ny maha-malagasy.
Samy namorona fitafy miavaka avokoa ireo vehivavy mivondrona isaky ny rafitra miankina amin'ny fanjakana. Tsy adino ireo fikambanana isan-tokony. Araho an-tsary ireo fitafy tena niavaka omaly.
Ny filoham-pirenena mivady no nitarika ny lanonana. Nisafidy fitafy gasigasy tsotra nefa tena miavaka izy ireo
Copyright Image : © PRM
Samy naneho ny fitafy mampiavaka ny faritra misy azy ireo vehivavy miasa ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara
Copyright Image : © PRM
Ireo avy eto amin'ny Faritra analamanga
Copyright Image : © Faritra Analamanga
Niasa tokoa ny lambahoany maroloko nahazoana fifafy miavaka
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Lamaody afrikanina mendrika tokoa amin'ny vehivavy malagasy
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Tsy afa-miasaraka amin'ny malagasy ny lambahoany, indrindra moa rehefa misy lanonana
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Fitafy ara-drazana avy any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy. Sady manao diabe no mandihy
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Hafa ihany ny vehivavy mitafy lamba sy misatroka
Copyright Image : © PRM
Nisafidy akanjo misy sary fanehoana sifaka ny teo anivon'ny ministeran'ny tontolo iainana
Copyright Image : © PRM


