• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Positivr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fisorohana sy fiadiana amin’ny bibikely ao an-trano

20/02/2023 10:41 © Moov.Mg

Vitsika, kadradraka, kalalao, lalitra, koroka… maro ireo bibikely manelingelina ny filaminana sy ny fahadiovana ao an-tokantrano. Efa nampiasa odim-biby isan-karazany ianao nefa mbola miverina foana ireo bibikely ireo ? Ireto ary misy fomba fisorohana sy fiadiana amin’ireo bibikely ao an-trano.

Atao madio tsara ny trano

Anisan’ny misarika ireo bibikely fahita ao an-trano ny loto. Ny potin-tsakafo no tena ankafizin’izy ireny. Ny lakozia moa no lasibatra matetika amin’izany. Ho fisorohana ny fidiran’ny vitsika, kalalao sy ny lalitra ao an-trano dia mila atao madio tsara ny lakozia sy ny efitra fisakafoanana. Diovina tsara ny fitaovana fihinana sy ireo fitaovana nandrahoana sakafo. Tsy tokony avela hijanona maloto, indrindra mandritry ny alina. Toy izany ihany koa ny latabatra, seza sy ny tany. Fafana tsara hialan’ny potin-kanina.

Diovina ary atao maina tsara ireo fanaka rehetra

Mora mandomando ny fanaka, indrindra ireo vita amin’ny hazo. Ankafizin’ny bibikely, toy ny kadradraka sy ny ny koroka, manokana io hamandoana io. Mila ezahina diovina sy atao maina tsara hatrany noho izany ny fanaka rehetra, na ny ao an-dakozia, efitrano fatoriana, efitra fisakafoanana… Tsara kokoa raha avela itapiandro kely indray mandeha isan-kerinandro rehefa avy diovina tsara.

Mampiasa ireo fikafika natoraly iadiana amin’ny bibikely

Maro ireo fikafika natoraly afaka ampiasaina iadina amin’ny bibikely raha tsy te hampiasa ireo ody biby simika ianao. Afaka atao ohatra ny manafangaro rano sy vinaigitra mitovy fatra. Atao anaty tavoahangy ary atsifitra eo amin’ny toerana ahitana vitsika, kalalao na lalitra. Mampitsoaka ny bibikely ihany koa ny akora mahery fofona toy ny dipoavatra mainty sy ny jirofo. Afafy eo amin’ny faritra ahitana tangorona vitsika izy ireny ka mampitsoaka azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo