Fahasalamana : ireo soritr’aretina mety manambara olana amin’ny aty
Taova iray tena ilaina amin’ny fiasan’ny vatana ny aty. Izy no manampy amin'ny fandevonan-kanina, fanivanana ireo poizina ao anaty rà, fitehirizana ny otrikaina sasantsasany ary famokarana proteinina ilain’ny vatana. Amin’ny voalohany dia mety mbola tsy misy soritr’aretina mazava maneho aretina na olana amin’ny aty. Misy ihany nefa ireo famantarana sasany tokony hampitandrina sy hanatona mpitsabo.
Soritr’aretina mety manambara olan’ny amin’ny aty : harerahana maharitra
Anisan'ny soritr'aretina fahita matetika amin'ny olana amin'ny aty ny harerahana. Mety hahatsapa ho reraka lalandava ny olona iray, na dia efa naka aina tsara sy ampy torimaso aza. Mety hiaraka amin'izany ny tsy fahampian-kery, ny fahasarotana mifantoka ary ny fahalemena amin'ny ankapobeny.
Satria moa soritr’aretina hita amin’ny aretina maro ny harerahana dia matetika tsy dia raharahiana firy. Raha toa nefa izy io ka maharitra sy tsy misy antony mazava dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo.
Miova lasa mavo ny hoditra sy ny maso
Ny fiovan’ny lokon’ny hoditra sy ny voamaso ho lasa mavo dia antsoina hoe « jaunisse ». Mitranga izany rehefa miangona ao anaty rà ny « bilirubine ». Io famantarana io dia mety manondro aretin'aty maro, toy ny « hépatite », « cirrhose », na fahatsentsenan’ny lalan-drano mivoaka avy amin'ny aty. Mila fitiliana ara-pitsaboana haingana izy io.
Fahatsapana tsy mahazo aina na marary eo ambanin'ny taolan-tehezana havanana
Eo ambanin'ny taolan-tehezana havanana no misy ny aty. Ny fanaintainana, ny tsindry na ny tsy fahazoana aina eo amin'io faritra io dia mety manambara « inflammation » na olana hafa amin'ny aty.
Mety ho malefaka na mafy kokoa ny fanaintainana arakaraka ny antony mahatonga azy. Indraindray io soritr’aretina io dia miaraka amin'ny fahatsapana « ballonnements » na hoe mizihitra ny kibo.
Olana amin'ny fandevonan-kanina
Ny aretin’aty ihany koa dia mety hiteraka olana amin’ny fandevonan-kanina ka hahatonga soritr’aretina toy ny :
-Maloiloy;
-Malain-komana;
-Mandoa;
-Tsy mahazo aina rehefa avy misakafo;
-Mihena (mihamahia) tsy nahy.
Matetika dia miseho tsikelikely ireo soritr'aretina ireo ary mety ho heverina ho olana tsotra amin'ny vavony fotsiny.
Mihamatroka ny lokon’ny pipy ary mihamatsatso ny lokon’ny kakà
Rehefa tsy tafavoaka ara-dalàna ny « bilirubine » dia mety hiova ny lokon'ny pipy sy ny kakà.
Mety ho lasa volontany maizina ny pipy, ary lasa hatsatra na volondavenona ny kakà. Raha mitranga izany ary tsy misy antony mazava dia tsara ny manatona mpitsabo.
Mangidihidy manerana ny vatana
Ny aretin'ny aty na ny lalan-drano mamoaka ny aferon'aty dia mety hiteraka hidihidy mafy manerana ny vatana.
Indraindray aza dia miseho mialoha ny fahamavoan'ny hoditra izany. Matetika moa dia tsy misy fery na tasy hita maso amin'ny hoditra ka sarotra ny mamantatra ny antony mahatonga io hidididy io.
Mivonto ny kibo na ny tongotra
Rehefa tsy miasa tsara mandritra ny fotoana maharitra ny aty dia mety hiangona ao amin'ny vatana ny tsiranoka (liquide). Izany dia mety hahatonga :
-Ny kibo hibontsina be (ascite) ;
-Ny kitrokely sy tongotra hivonto ;
-Fitomboan-danja tampoka noho ny fitazonan-drano ao amin’ny vatana.
Ireo famantarana ireo matetika dia hita amin'ny aretin'aty efa mandroso.
Mora misy mangana na mandeha rà
Mandray anjara amin'ny famokarana proteinina mampitsahatra ny fandehanan-drà ny aty. Raha misy olana na marary izy io dia mety ho mora mandeha rà ny olona iray. Izany moa dia mety hitarika :
-Mangana matetika amin’ny hoditra;
-Tefidoha matetika;
-Hihy mora mandeha rà.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Tsara ny manatona mpitsabo raha maharitra, mihamafy na miseho miaraka amin'ny soritr'aretina hafa ireo famantarana mety manambara olana amin’ny aty voalaza teo ambony ireo. Ny fitiliana mialoha dia afaka manampy amin'ny fitsaboana ny olana alohan'ny hisehoan'ny fahasarotana lehibe kokoa.




