• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Casadelpapa
Image
Madagasikara

Moov Olombanona : Tsy mitondra "sachet" kosa rehefa mamonjy fanasana e ...

10/01/2023 07:44 © Moov.Mg

"Mba hiova ho Olombanona", izany no tanjon'ny Moov Olombanona. Amin'izao fiandohan'ny taona izao, misesisesy ireo fanasana aleha : mariazy, fivoriam-pianakaviana, fetim-piangonana, sns. Ny fahalalam-pomba sy fifanajana mandritra ny lanonana ary no resahitsika anio. Entanina isika mba tsy hanitrika sakafo anaty "sachet".

Mifantoka amin'ny fety

Zary lasa fahazarana amin'ny Malagasy ny mitondra mody rehefa misy sakafo tsara. Tsarovy fa mariky ny tsy fahalalam-pomba izany. Rehefa manatrika fanasana, mila mionona amin'ny anjara sakafo izay ohaniny eo no ho eo ny tsirairay. Ireo mpikarakara lanonana dia manomana sakafo araka ny isan'ny voaasa ihany. Izany hoe raha mandray mihoatra ianao, dia mety tsy hahazo ny anjarany ny hafa. Ny tena mahamenatra, maro ireo mitondra mody ny sotrokely, antsy sy haingo isan-karazany. Ireny fitaovana ireny nefa dia tsy maintsy soloin'ireo tompom-pety amin'ny trano fandraisana lanonana.
Azonao entina tsara kosa ny mofomamy izay atolotra amin'ny fiafaran'ny lanonana.

Mitandro ny fahasalamana

Na eo aza ny karazan-tsakafo tsy dia fahita firy amin'ny andavan'andro, tandrovy ny fahasalamana. Hajao ireo fepetra napetraky ny mpitsabo raha manaraka fitsaboana manokana ianao. Fero ny fihinanana sakafo matavy sy mamy be loatra. Toy izany ihany koa ny zava-pisotro misy akora simika sy ny misy alikaola.
Aorian'ny fety, mihinana legioma sy voankazo betsaka. Tsy adino ny fisotroana rano 1,5 hatramin'ny 2 litatra isan'andro.

Manaja ny isan'ny olona voaasa

Hajao ny isan'ny olona voaasa. Izay voasoratra amin'ny taratasy fanasana no tokony tonga any amin'ilay lanonana. Raha 2 ny olona antsoin'ny tompom-pety, 2 ihany no tokony manotrona, fa tsy 3 na 4.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo