• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Vatomandry : Morontsiraka akaiky ny renivohitra, misy ranomasina sy ranomamy

09/11/2026 05:56 © Moov

Tanàna mangingina, toerana madio sy mahatamana, vidim-piainana mitovy ny afovoantany : toerana mendrika tsidihina sy hialana sasatra i Vatomandry.

276 km eo ho eo miala an’Antananarivo no misy an’i Vatomandry, faritra Atsinanana, sisin’ny ranomasimbe indiana. Misy vato mainty lehibe maromaro ny ranomasina, ka izany no nahatonga ny anarana hoe “Vatomandry”.

Toerana tongan'ny fiara rehetra

Tsara amin'ny ankapobeny ny lalana Antsampanana # Vatomandry. 2 na 3 kilometatra eo ho eo ihany no manahirana ny lalana. Tongan'ny fiarakely ny toerana na izany aza, na maina na manorana ny andro. Adiny iray monja no mapisaraka an'Antsampanana sy Vatomandry. Maintso mavana ny tontolo lalovana amin’izany, ka mangatsiatsiaka eny an-dalana na dia mafana aza ny andro.
Rehefa tonga ao Vatomandry, "cyclo-pousse" no fitaovam-pitanterana : tsy misy fiara fitateram-bahoaka (bus) ao an-toerana. Somary kelikely rahateo ny tanàna ka mazoto mandeha an-tongotra ny ankamaroan’ny mponina.

Ranomasina mahery

Miendrika koveta ny sisin-dranomasin'i Vatomandry, izany hoe milentika midina. Mahery sady avo ihany koa ny onjan-drano. Noho izany, tsy azo ilomanosana ny ranomasina. Azo atao tsara nefa ny milalao rano, raha toa ka mijanona eny amin'ny sisiny. Malalaka tsara ny torapasika, ka azo antoka ny fakan'aina. Tsy be olona rahateo ny toerana, na amin'ny fotoam-pialan-tsasatra aza. Tsara ny manamarika fa na dia eo aza ny onja mahery, am-polony ireo mpanjono an-tsambokely miasa an-dranomasina, ny tapany maraina.
Ho an'ireo te hitokana tanteraka, misy ny trano fandraisambahiny eo anelanelan'ny ranomamy sy ranomasina, manana torapasika tsy falehan'ny besinimaro (plage privée) : miampita ranomamy ny mihazo ny nosikely mahazo ny ranomasina avy hatrany.

Ranomamy azo itsangatsanganana

Anisan’ny manintona ireo mpizahatany sy mpialasasatra ny fitsangatsanganana an-tsambo amin’ny « Canal des Pangalanes ». Azo atao tsara mantsy ny mihazo an’i Manambato sy Ambila Lemaitso, arakaraka ny fahafahana ara-bolan’ny mpandeha. Mitentina 100 000 ariary isan’ora ny hofan’ny sambo : raha mihazo an’i Manambato dia eo ho eo amin’ny adiny 3 mandroso sy miverina. Mahazaka mpandeha hatramin’ny 15 ny lakana misy motera iray, ka azoazo kokoa ny sarany raha vondron’olona na fianakaviana kely no mandeha.
Azo ilomanosana ny ranomamy, sady azo anjonoana ihany koa ho an’ireo te hialavoly.

Vidim-piainana mirary

Zara raha manatombo amin’ny vidim-piainan’Antananarivo ny any Vatomandry. Mirary avokoa ny saran’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro, indrindra ny PPN.
Azo lazaina fa mora kokoa ny voankazo sy legioma maitso, izay vokarin’ireo mponina. Koa satria amoron-dranomasina sady amoron-dranomasina ny toerana, azo araraotina tsara ireo karazan-trondro vaventy sy madinika.

Tanàna mandroso

Amin'ny ankapobeny, mbola trano falafa Betsimisaraka no hita ao Vatomandry : trano fahita any Atsinanana, mangatsiatsiaka sady moravidy. Marika rahateo izany fa mbola mitazona ireo taotrano nentim-paharazana ny ankamaroan’ny mponina. Efa miha-maro kosa nefa ireo trano maoderina (construction en dur) ao an-tampon-tanàna. Ireo trano fivarotana sy biraon'orinasa no tena manaraka ny fivoarana.
Tsara ny manamarika fa ahitana karazan'entana rehetra ao Vatomandry, na dia ireo fitaovana fanamboarana trano maoderina aza. Tanàna lehibe izy satria misy hopitaly, banky, sekoly, fiangonana sy orinasa maromaro. Tongan'ny herinaratra any an-toerana, sady misy biraon'ny JIRAMA mihitsy. Tsy manakana ireo mponina hitrandraka ny angovo azo avaozina nefa izany : mpanjifa mavitrika ny "panneaux solaires" sy "batterie" kely ny vahoaka, arakaraka ny filàn'ny ankohonany.

Lire la suite

Articles Similaires