• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hanetsiketsika ny tongotra foana rehefa miala sasatra : inona no mety antony ?

12/08/2026 16:22 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga ny hoe rehefa mandry na mipetraka tsara dia te hanetsika tampoka ny tongotra. Amin’ny olona sasany moa dia lasa sarotra mihitsy ny mijanona tsy mihetsika, indrindra rehefa hariva na amin’ny alina. Mety mahatsapa filàna hanetsika na haninjitra no tongotra izy, na hitsangana sy handeha mihitsy mba hampitony ilay fahatsapana tsy mahazo aina. Fa inona no antony mety mahatonga izany ?

Faniriana mafy hanetsika ny tongotra

Indraindray mety ho fahazarana fotsiny na vokatry ny fihenjanana ny faniriana hanetsika ny tongotra rehefa miala sasatra na mitsotsotra iny. Saingy raha miverimberina matetika ary manelingelina ny fialan-tsasatra na ny torimaso kosa nefa izany dia mety ho aretin’ny tongotra tsy mahay mijanona, antsoina hoe « syndrome des jambes sans repos » na « maladie de Willis-Ekbom ».
Ny « syndrome des jambes sans repos" dia miseho indrindra amin’ny faniriana tsy hay tohaina hanetsika ny tongotra rehefa miala sasatra. Mety hitranga izany rehefa mipetraka ela, mandry eo am-pandriana, mijery sarimihetsika na mandeha lavitra amin’ny fiara.
Matetika dia misy fahatsapana hafahafa miaraka aminy, toy ny mangidihidy avy ao anatiny, manindrona, mifandrirotra, na mahatsapa fihenjanana ao amin’ny tongotra. Indraindray aza dia sarotra amin’ilay olona ny manazava marina ny zavatra tsapany.
Ny mampiavaka azy dia ny hoe mihena vetivety ilay fahatsapana rehefa mihetsika. Izany no mahatonga ilay olona hanetsika ny tongony, haninjitra azy na hitsangana handeha, na dia tsy mieritreritra hanao izany aza.

Inona no mahatonga azy mitranga rehefa miala sasatra ?

Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mahatonga ny « syndrome des jambes sans repos ». Araky ny fihevitr’ireo manam-pahaizana dia toa misy ifandraisany amin’ny fomba fiasan’ny « dopamine », akora simika ao amin’ny atidoha izay mandray anjara amin’ny fandrindrana ny fihetsiky ny vatana izy io.
Mety hanana anjara toerana ihany koa ny fomba ampiasan’ny atidoha ny vy (fer). Izany no mahatonga ny tsy fahampian’ny vy ao amin’ny vatana hifandray amin’ity olana ity eo amin’ny olona sasany.
Matetika koa no mihamafy ny soritr’aretina amin’ny hariva sy amin’ny alina. Vokatr’izany dia mety ho sarotra hahita tory ary mety ho tapa-tory matetika ilay olona.

Mety ho vokatry ny tsy fahampian’ny vy ve izany?

Eny. Ny tsy fahampian’ny vy dia mety hifandray amin’ny « syndrome des jambes sans repos ». Tsy midika anefa izany fa ny olona rehetra manana io olana io dia tsy ampy vy.
Misy toe-javatra sasany mety hampihena ny tahirin’ny « fer » ao amin’ny vatana, toy ny fadimbolana be loatra, ny fitondrana vohoka, na ny fahaverezan-dra noho ny antony samihafa. Mety handray anjara ihany koa ny sakafo tsy ampy vy.
Raha miverimberina ny soritr’aretina, dia mety hangataka fitiliana rà ny mpitsabo mba hijerena ny tahirin’ny vy ao amin’ny vatana sy hitadiavana izay mety ho antony.

Misy antony hafa mety hahatonga azy io ve?

Mety misy antony hafa mety hahatonga ity aretina ity.
Amin’ny olona sasany dia mety hisy fironana ara-pianakaviana.
Mety hifandray amin’ny aretina na toe-javatra sasany ihany koa izy, toy ny aretin’ny voa, ny fitondrana vohoka na ny olana sasany mahazo ny hozatra sy ny rafi-pitatitra.
Misy fanafody sasany ihany koa mety hampitombo ny soritr’aretina amin’ny olona sasany, anisan’izany ny fanafody sasany ampiasaina amin’ny « allergies » sy ny fanafody sasany amin’ny olana ara-tsaina. Na izany aza, tsy tokony hatsahatra samirery ny fanafody nomen’ny dokotera raha tsy efa nahazo torolalana avy aminy.

Ary raha tsy « syndrome des jambes sans repos » no mahazo ilay olona ?

Tsy midika avy hatrany fa manana io aretina io ny olona iray satria manetsika tongotra matetika.
Misy olona manetsika tongotra rehefa mitebiteby, sahirana amin’ny eritreritra, mifantoka, na noho ny fahazarana fotsiny. Mety ho vokatry ny « crampes » amin’ny hozatra, ny fanaintainan’ny tongotra na ny fijanonana amin’ny toerana iray ela ihany koa izany.
Noho izany, zava-dehibe ny fijerena ny karazana fahatsapana sy ny fotoana isehoany. Amin’ny « syndrome des jambes sans repos », matetika ny faniriana hanetsika tongotra dia miseho rehefa miala sasatra, mihamafy amin’ny hariva na amin’ny alina, ary mihena rehefa mihetsika.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Tsara ny manatona mpitsabo raha miverimberina matetika ny faniriana hanetsika tongotra na maharatsy torimaso.
Tokony hijery mpitsabo ihany koa raha tampoka be no nanombohan’ny soritr’aretina, mihamafy tsikelikely, na misy soritr’aretina hafa tsy mahazatra miaraka aminy.
Afaka mitady ny antony mety ho mahatonga azy ny mpitsabo, toy ny tsy fahampian’ny vy, aretina hafa, na fanafody mety mampitombo ny soritr’aretina.

Lire la suite

Articles Similaires