Fanaviana na « bouton de fièvre » miverimberina : inona no mety ho antony ?
Olana fahita amin’ny olona maro ny fanaviana na « bouton de fièvre », antsoina ihany koa hoe « herpès labial ». Matetika izy io dia miseho amin’ny endrika fery kely feno ranoka eo amin’ny molotra na manodidina azy ary mety hangidihidy na hanaintaina. Misy olona zara raha voan’izy io, nefa misy ihany koa ireo iverimberenany imbetsaka isan-taona. Inona àry no mahatonga ny fanaviana miverimberina ?
Anton’ny fanaviana miverimberina : mijanona ao amin’ny vatana ilay viriosy
Matetika ny fanaviana dia vokatry ny viriosy atao hoe « virus de l’herpès simplex de type 1 (HSV-1) ». Rehefa voan’io viriosy io indray mandeha ny olona iray, dia tsy miala tanteraka ao amin’ny vatana izy.
Mijanona ao amin’ireo sela mifandray amin’ny lalan-tsaina ilay viriosy, saingy mety hangina mandritra ny fotoana maharitra ka tsy hiteraka soritr’aretina. Rehefa miverina mihetsika izy dia miseho indray ilay fanaviana na « bouton de fièvre ».
Noho izany, afaka miverimberina mandritra ny androm-piainana ny « bouton de fièvre », na dia tsy misy soritr’aretina aza eo anelanelan’ny fisehoany.
Ny rarintsaina
Anisan’ny lafin-javatra mety hampiverina ny fanaviana ny rarintsaina na « stress ». Mety hisy fiantraikany amin’ny hery fiarovan’ny vatana ny vanim-potoana hisian’ny tebiteby, havizanana ara-tsaina sy tsy fahampian-torimaso ka hanamora ny fiverenan’ilay viriosy.
Misy amin’ireo olona sasany matetika tratran’ny « bouton de fièvre » no mahatsikaritra ny fipoitran’izy io rehefa avy nandalo fotoan-tsarotra, niasa be na tsy ampy torimaso nandritra ny andro maromaro.
Ny fiovan’ny hormonina
Mety hisy fiantraikany amin’ny fiverenan’ny fanaviana ihany koa ny fiovan’ny hormonina. Eo amin’ny vehivavy ohatra dia mety miverina amin’ny fotoana sasany ao anatin’ny « cycle menstruel » izy io.
Tsy midika anefa izany fa ny fiovan’ny hormonina no antony mahatonga ny « bouton de fièvre » rehetra. Mety ho iray amin’ireo antony mampihetsika ilay viriosy fotsiny izy io amin’ny olona sasany.
Ny aretina na fahalemen’ny hery fiarovana
Ny fanaviana ihany koa dia mety hiseho aorian’ny aretina sasany, tazo na fotoana niatrehan’ny vatana ady amin’ny aretina. Mety ho mora miverimberina ihany koa izy io amin’ireo olona izay marefo ny hery fiarovan’ny vatana, ohatra noho ny toe-pahasalamana sasany na noho ny fitsaboana mampihena ny hery fiarovana.
Raha tena matetika na tena mafy ny fiverenan’ny « bouton de fièvre », dia tsara ny manatona mpitsabo mba hahitana raha misy antony hafa tokony hojerena.
« Irritation » ny molotra
Indraindray, ny « irritation » na ratra madinika eo amin’ny molotra dia mety hialoha ny fisehoan’ilay fery.
Ny hatsiaka, ny fahamainan’ny molotra, ny fampiasana vokatra manorisory ny hoditra, na ny ratra kely eo amin’ilay faritra dia mety mampihetsika ilay viriosy amin’ny olona sasany.
Noho izany dia tsara ny miaro ny molotra amin’ny hatsiaka, ny masoandro na ny fahamainana tafahoatra raha toa ka mora voan’ny fanaviana.
Maninona no misy olona mora voan’ny fanaviana kokoa noho ny hafa?
Tsy mitovy ny fomba fiatrahan’ny ny vatan’ny olona tsirairay ny viriosy HSV-1. Misy olona mety hisy « bouton de fièvre » indray mandeha isaky ny taona maromaro, fa misy kosa mety hahazo izany imbetsaka ao anatin’ny taona iray. Miankina amin’ny fomba fiasan’ny hery fiarovan’ny vatana sy ireo zavatra mampihetsika ilay viriosy izany.
Azo sorohina ve izy io ?
Tsy voatery ho azo sakanana tanteraka ny fiverenan’ilay viriosy mahatonga ny fanaviana. Na izany aza, misy fahazarana mety hanampy amin’ny fampihenana ireo antony mampihetsika azy:
-Miezaka atao ampy sy milamina tsara ny torimaso,
-Miezaka mifehy na mampihena ny rarintsaina,
-Arovana ny molotra mba tsy ho tratry ny hatsiaka na hafanana be loatra,
-Arovana ny molotra mba tsy makiana,
-Tsy kasihana na kikisana ilay fery.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Amin’ny ankapobeny dia sitrana ho azy ny fanaviana tsotra. Tsara kosa ny manatona mpitsabo raha miverimberina be, tena manaintaina, lehibe na maharitra ela ilay fery.
Tokony hijery mpitsabo ihany koa raha miseho eo amin’ny maso na manodidina ny maso ilay fery, na raha tsy mitovy amin’ny « bouton de fièvre » mahazatra ny endriny.




