Ireo fahadisoana mampitarazoka ny fahasitranana aorian’ny fandidiana
Dingana iray tena ilaina aorian’ny fandidiana ny vanim-potoanan’ny fahasitranana mba hahafahan’ny vatana manarina ny ratra sy miverina tsikelikely amin’ny laoniny. Misy nefa fahazarana na fihetsika sasany mety hampitarazoka ny fahasitranana, hampitombo ny mety hisian’ny fahasarotana, na hahatonga ny harerahana haharitra ela kokoa. Ireto àry ireo fahadisoana tokony ho tandremana aorian’ny fandidiana.
Miverina haingana loatra amin’ny asa mahazatra
Maro ny olona te hiverina avy hatrany amin’ny fiainana andavanandro rehefa mihena ny fanaintainana aorian’ny fandidiana. Ny fiverenana aloha loatra amin’ny asa mafy, fanatanjahantena, fitondrana entana mavesatra… nefa dia mety hanery be loatra ny vatana izay mbola manarin-tena.
Na dia toa mihatsara aza ny toe-pahasalamana, dia mbola mety tsy ho sitrana tanteraka ny fery sy taova ao anatiny. Noho izany dia ilaina ny manaraka ny toromarika omen’ny dokotera ary mampitombo tsikelikely ny hetsika atao.
Manao tsirambina ny fotoana hakana aina sy hatoriana
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fahasitranana aorian’ny fandidiana ny torimaso sy ny fakana aina. Mandritra ny torimaso dia mamokatra hormonina manampy amin’ny fanarenana ny sela sy ny fanamafisana ny hery fiarovana ny.
Ny tsy fahampiana torimaso, ny havizanana tafahoatra na ny tsy fakana fotoana hialana sasatra dia mety hampitarazoka ny fahasitranana sy hampitombo ny fahatsapana reraka.
Tsy fanarahana tsara ny toromarika nomen’ny dokotera
Fahadisoana mahazatra ataon’ny olona avy nodidiana sasany ny fampitsaharana fanafody rehefa mahatsapa ho mihatsara na ny fanovana ny fatran’ny fanafody tsy misy torohevitra ara-pitsaboana.
Ny fanafody omena aorian’ny fandidiana (toy ny fanafody manala fanaintainana, antibiotika, na fanafody manakana ny fiforonan’ny rà mandry) dia manana andraikitra manokana. Ny tsy fandraisana azy ireny araka ny tokony ho izy dia mety hiteraka aretina, fanaintainana maharitra na fahasarotana hafa.
Tsy firaharahiana ny sakafo
Aorian’ny fandidiana dia mila angovo sy otrikaina betsaka kokoa ny vatana mba hanamboarana ireo sela simba sy hanasitranana ny fery. Ny sakafo tsy ampy na tsy voalanjalanja dia mety hanemotra ny fahasitranana. Anisan’ireo sakafo tsara hoanina ny :
-sakafo manankarena proteina (atody, trondro, hena tsy dia matavy, tsaramaso) mba hanampy amin’ny fanarenana ny sela ;
-Voankazo sy legioma misy vitamina sy singa miaro ny sela;
-« Zinc » sy « fer » izay manampy amin’ny fanasitranana;
-Rano ampy mba hanohanana ny fiasan’ny vatana.
Fifohana sigara na fisotroana toaka
Ny sigara dia mampihena ny habetsahan’ny oksizena tonga any amin’ny sela, ka mety hampiadana ny fahasitranan’ny fery ary hampitombo ny mety hisian’ny aretina. Ny toaka kosa dia mety hanelingelina ny fahasitranana, indrindra rehefa mifangaro amin’ny fanafody sasany ary mampihena ny hery fiarovan’ny vatana.
Tsy fikarakarana tsara ny fery
Mila fikarakarana manokana ny fery aorian’ny fandidiana. Fihetsika mila fadiana ny fikasikasiana matetika ny fery, ny fanaovana tsirambina ny fahadiovana na ny tsy firaharahiana ireo famantarana tokony hahamailo. Tokony hijery mpitsabo haingana raha misy:
-Mivaramena be na mivonto be manodidina ny fery ;
-Tsiranoka na nana mivoaka ;
-Tazo;
-Fanaintainana mihamafy fa tsy mihena.
Tsy mihetsika mihitsy
Na dia ilaina aza ny miala sasatra aorian’ny fandidiana dia tsy midika izany hoe tsy hihetsika tanteraka mandritra ny fotoana ela be. Mety hanaka ny fahasitranana ihany koa izany. Arakaraka ny karazana fandidiana natao, ny fivezivezena malefaka na ny fandehanana kely dia afaka manampy amin’ny:
-Fanatsarana ny fikorianan’ny rà;
-Fisorohana ny fiforonan’ny rà mandry;
-Famerenana tsikelikely ny herin’ny hozatra.
Tokony hatao araka ny toromarika ara-pitsaboana anefa ireo hetsika ireo.




