« Huiles essentielles » : ny tokony ho tandremana amin’ny fampiasana azy ireny
Mihamaro ny olona mampiasa ny « huiles essentielles » noho ny tombontsoa maro heverina hananan’izy ireny : manatsara torimaso, manamaivana olana madinika amin’ny vatana na ampiasaina amin’ny fikarakarana ny hoditra. Na dia avy amin’ny zavamaniry aza izy ireny dia mety hiteraka vokadratsy raha tsy mitandrina amin’ny fampiasana azy. ‘Ndeha ho resahana eto ireo loza mety hitranga sy ny fepetra tokony horaisaina mikasika ny fampiasana « huiles essentielles ».
« Huiles essentielles » : vokatra natoraly nefa tena mahery vaika
Tsy mitovy amin’ny menaka avy amin’ny zavamaniry ampiasaina andavanandro ny « huiles essentielles ». Izy ireo dia fitambarana akora mahery vaika azo avy amin’ny zavamaniry manitra.
Noho ny habetsaky ny fatran’ny « substances actives » ao anatiny dia mety hanana vokatra tsara izy ireo, saingy mety hiteraka olana ihany koa raha diso ny fampiasana azy : fatra betsaka loatra, tsy mampiasa fanalefahana, na fisafidianana « huiles essentielles » tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra ampiasana azy.
Ireo loza lehibe mety ateraky ny « huiles essentielles »
Fahasosoran’ny hoditra sy fahamaizana
Ny « huiles essentielles » sasany dia mety hampisy « irritations » ny hoditra raha apetaka mivantana tsy afangaro amin’ny menaka hafa. Mety hahatonga ny hoditra hivaramena; mangidihidy ; hisy « allergie » na koa fahatsapana may.
Misy « huiles essentielles » sasany tena mahery ka mety handoro na hanimba ny hoditra mihintsy raha tsy mitandrina tsara amin’ny fampiasana azy.
« Allergies »
Na dia avy amin’ny zavamaniry aza ny « huiles essentielles », dia mety hiteraka « allergie » eo amin’ny olona sasany. Mety hiseho izany rehefa avy nahositra amin’ny hoditra na nievohana ilay menaka.
Alohan’ny hampiasana azy amin’ny faritra lehibe amin’ny vatana dia tsara aloha raha handramana hosorana amin’ny faritra kely amin’ny hoditra. Raha misy fiovana tsikaritra dia ajanona avy hatrany ny fampiasana azy satria mety manambara izany fa tsy zaka ilay « huile essentielle ».
Loza ateraky ny fihinanana azy
Misy olona misotro na mihinana « huile essentielle » nefa tsy nahazo torolalana na alalana avy amin’ny mpitsabo. Mety hampidi-doza anefa izany satria tsy natao hohanina avokoa ny « huile essentielle » rehetra. Ny fihinanana tsy ara-dalàna dia mety hiteraka :
-olana amin’ny fandevonan-kanina ;
-maloiloy ;
-fanapoizinana ;
-fahasimban’ny aty na taova hafa.
Tokony ho fantatra tsara ny karazana menaka sy ny fatrany alohan’ny hinanana azy.
Loza ho an’ny zazakely sy ny ankizy madinika
Mora voakasiky ny akora mahery vaika ao anatin’ny « huiles essentielles » ny zazakely sy ny ankizy madinika satria mbola tsy matotra tanteraka ny vatany. Ny menaka sasany dia mety hiteraka :
-olana amin’ny fifohana rivotra ;
-fahasosoran’ny hoditra ;
-olana amin’ny « système nerveux ».
Noho izany dia tsara ny manatona mpitsabo alohan’ny hampiasana azy amin’ny ankizy.
Fampiasana mandritra ny fitondrana vohoka sy fampinonoana
Mila fitandremana manokana ny vehivavy bevohoka sy mampinono rehefa mampiasa « huiles essentielles ». Ny akora sasany ao anatin’izy ireny dia mety hisy fiantraikany amin’ny vatana ka tsy tokony hampiasaina raha tsy nahazo torohevitra avy amin’ny mpitsabo.
Fepetra tokony harahina amin’ny fampiasana « huiles essentielles »
Alohan’ny hampiasana « huiles essentielles » dia misy ireo fepetra tsara harahana hatrany mba hisorohana ny vokadratsy mety aterak’izy ireny :
-Halefahana hatrany ny « huiles essentielles », indrindra raha ampiasaina amin’ny hoditra. Izany hoe, mila afangaro amin’ny menaka hafa toy ny menaka « amande », menaka oliva na menaja jojoba mba hampihena ny « risques d’irritations ».
-Hajaina tsara ny fatra tokony hampiasaina. Tsy hoe rehefa atao betsaka kokoa dia mandaitra kokoa ny « huiles essentielles ». Noho izy ireny « concentrées » be dia kely dia kely ihany matetika ny fatra ilaina.
-« Huiles essentielles » mifanaraka amin’ny zavatra ilaina no safidiana. Samy manana ny toetrany sy ny fepetra tsy azo ampiasana azy ny « huiles essentielles » tsirairay. Ny menaka mety amin’ny olona iray dia mety tsy mety amin’ny olona hafa.
-Tsy ampiasaina amin’ny faritra « sensibles ». Tsy tokony hatao amin’ny maso sy manodidina ny maso ; faritra mando na manify amin’ny vatana ; ratra na hoditra simba… ny « huiles essentielles ».
Inona no atao raha misy olana ?
Raha misy fahasosoran’ny hoditra (irritations), « allergie » na fahatsapana tsy fahasalamana rehefa mampiasa « huiles essentielles » dia ajanona avy hatrany ny fampiasana azy.
Raha misy soritr’aretina mafy toy ny fahasarotana miaina, fivontosana, na fihinanana « huiles essentielles » tsy nahy dia mila manatona mpitsabo haingana.




