• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naturellement Bio
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo sakafo manatsara ny fikorian’ny rà

05/08/2026 11:37 © Moov.Mg

Ny fikorianan'ny rà ara-dalàna dia tena ilaina amin'ny fahasalaman'ny vatana manontolo. Izy io no mitondra ny oksizena sy ny otrikaina mankany amin'ny sela rehetra, ary manala ireo loto tsy ilain’ny vatana. Rehefa tsy mikoriana tsara ny rà dia mety hitarika soritr’aretina samihafa toy ny « jambes lourdes », mangatsiaka ny tanana sy ny tongotra, mangotsigontsika, vizaka, varisy… Ankoatra ny fampihetsiketseham-batana sy ny fisotroana rano ampy dia misy ireo karazana sakafo manampy amin’ny fiarovana ny lalandrà sy amin’ny fanatsarana ny fikorian’ny rà.

Inona no maha zava-dehibe ny fikorian’ny rà ara-dalàna ?

Ny « système circulatoire » no miandraikitra ny fitondrana ny rà manerana ny vatana amin'ny alalan'ny fo, ny lalandrà lehibe (artères) sy ny lalandrà kely (veines sy capillaires). Ny fikorianan'ny rà ara-dalàna no ahafahana:
-mamatsy oksizena amin’ireo taova rehetra;
-mitondra ireo otrikaina tena ilain’n'ny sela;
-mihazona ny maripana ara-dalàn'ny vatana;
-manamafy ny hery fiarovana (système immunitaire);
-manafaingana ny fahasitranan'ny fery.
Ny tsy fahampian’ny fampihetsiketsehana ny vatana, ny fifohana sigara, ny hatavezana tafahoatra, ny diabeta, ny tosidrà avo ary ny fahanterana kosa dia mety hanaratsy ny fikorian’ny rà.

Inona avy àry ireo sakafo manatsara ny fikorian’ny rà ?

Ny trondro matavy manankarena « oméga-3 »

Ny « saumon », « sardines », « maquereau » sy ny « hareng » dia trongo manankarena « acides gras oméga-3 ». Ireo tavy mahasoa na « bonnes graisses » ireo dia :
-Mampatsora kokoa ny rà,
-Mampihena ny « inflammation » ny lalandrà,
-Mitazona ny « élasticité » ny lalandrà,
-Mampihena ny « risques » hiforonan’ny vaingan-drà na « caillots ».
Tsara raha mihinana ireo karazana trondro voalaza ireo indray mandeha na indroa isan-kerinandro.

Ny tongolo gasy

Ny tongolo gasy dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Ireo akora misy « souffres » ao anatiny dia :
-Manatsara ny « dilation » ny lalandrà,
-Manatsara ny fikorian’ny rà,
-Manampy amin’ny fampihenana kely ny tosidrà rà eo amin’ny olona sasany.
Tsara raha hoanina manta na somary nomasahana ny tongolo gasy mba hitazomana ireo « composés actifs » ilaina ao aminy.

Ny legioma ravina

Ny legioma ravina toy ny « épinards », ny laisoa sy ny « laitue » dia mitondra « nitrates » natoraly. Rehefa voahodina ao anatin’ny vatana ireto farany dia manatsara ny famokarana « oxyde nitrique » izay singa manampy amin’ny fanalefahana ny lalandrà sy ny fikorian’ny rà.

Ny betiravy

Ny betiravy no isan’ireo sakafo manankarena « nitrates » natoraly indrindra. Ny fihinanana azy ireny dia manampy amin’ny fanatsarana ny « débit sanguin », fanohanana ny vatana rehefa manao ezaka ara-batana mafy, fanatsarana ny fampidirana oksizena amin’ireo hozatra. Azo hoanina manta, masaka na atao « jus » ny betiravy.

Ny tamotamo

Ny tamotamo dia mitahiry « curcumine » izay « antioxydant » tena matanjaka. Izy io dia manampy betsaka amin’ny famerana ny « inflammation », fiarovana ny lalandrà, fanohanana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Tsara ampiasaina amin’ny sakafo andavanandro ny tamotamo mba hisitrahana ireo vokatsoa entiny.

Oviana no tsara manatona mpitsabo ?

Tsara raha manatona mpitsabo raha toa ka :
-Manaintaina mafy na mivonto be ny ranjo,
-Misy varisy betsaka sy lehibe,
-Misy marary be tampoka amin’ny rantsam-batana,
-Misy miloko mangana na hatsatra tsy mety afaka eo amin’ny sandry na amin’ny tongotra,
-Sempotsempotra na manaintaina ny tratra.
Ireo soritr’aretina ireo dia mety manambara olana amin’ny fikorian’ny rà izay mila fitsaboana.

Lire la suite

Articles Similaires