• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Daily Geek Show
Image
Fahalalana Ankapobeny

Inona no mahatonga ny tanana miketrona rehefa nilona rano naharitra ?

10/06/2026 11:19 © Moov.Mg

Rehefa milona rano mandritra ny minitra vitsivitsy ny tanana sy ny tongotra dia lasa miketrona. Nandritra ny fotoana ela moa dia noheverina fa vokatry ny fandraisan’ny hoditra rano fotsiny ihany no mahatonga izany. Taty aoriana dia misy ireo fikarohana ara-tsiansa izay nahita fa sarotra sy mahaliana kokoa noho io fanazavana taloha io ny antony mahatonga ny tanana sy ny tongotsika lasa miketroketrona rehefa nilona rano naharitra.

« Mécanisme » iray fehezin’ny « système nerveux »

Tsy noho ny fandraisan’ny hoditra rano fotsiny ihany no mahatonga ny rantsan-tanana sy rantsan-tongotra hiketrona rehefa milona rano maharitra. Raha ny marina dia ny « système nerveux autonome », izay misahana ireo asa maro tsy iniana ataon’ny vatana, no mifehy io tranga io.
Rehefa mijanona ao anaty rano mandritra ny minitra maromaro ny tanana na ny tongotra, dia mihenjana ny lalan-dra madinika ao ambanin’ny hoditra. Io fihenjanana io dia mampihena kely ny haben’ireo tavy ao ambanin’ny hoditra, ka mahatonga ireo ketrona hita eo amin’ny hoditra.
Hitan’ireo mpikaroka siantifika fa eo amin’ireo olona sasany misy « lésions nerveuses » dia tsy miketrona ny rantsan-tanana na rantsan-tongotr’izy ireo rehefa atsoboka anaty rano maharitra. Izany dia manaporofo fa manana toerana lehibe amin’ity tranga ity ny « système nerveux ».

« Adaptation » ny vatana mba hahafahana mitazona zavatra tsara kokoa

Arak’ireo voka-panadihadiana maro, ny ketrona eo amin’ny rantsantanana dia mety hanampy antsika hitazona zavatra tsara kokoa rehefa lena. Izany hoe, mitovy amin’ny lavadavaka eo amin’ny kodiaran’ny fiara izay manala ny rano mba hanatsarana ny fifikirana amin’ny lalana izy ireo.
Rehefa miketrona ny rantsantanana, dia mora kokoa ny manala ny rano eo anelanelan’ny hoditra sy ny zavatra tazonina. Izany dia manampy amin’ny fitazonana zavatra lena tsy hilatsaka na hisolifatra.

Fa ahoana ny rantsan-tanana sy ny rantsan-tongotra ihany no miketrona?

Na dia afaka mandray rano kely daholo aza ny hoditra manerana ny vatana, dia ny rantsan-tanana sy ny rantsan-tongotra ihany no miketrona rehefa milona rano maharitra satria:
-Matevina kokoa ny sosona ivelan’ny hoditr’izy ireo,
-Betsaka ny « terminaisons nerveuses » ao aminy,
-Maro ny lalan-dra madinika ao anatiny,
-Izy ireo no tena ampiasaina amin’ny fitazonana zavatra sy fitandroana fifandanjana.

Hafiriana vao miseho ny ketrona?

Amin’ny ankamaroan’ny olona dia manomboka miseho ny ketrona rehefa afaka 5 ka hatramin’ny 10 minitra ao anaty rano mafanafana.
Arakaraka ny faharetan’ny fijanonana ao anaty rano no mampitombo ny fahitana ireo ketrona.
Rehefa maina indray ny tanana na ny tongotra dia miverina tsikelikely amin’ny endriny mahazatra ny hoditra ao anatin’ny minitra vitsivitsy.

Mety mampidi-doza ve izany?

Amin’ny ankapobeny dia tsia. Ara-dalàna tanteraka ny fahaketronan’ny rantsan-tanana rehefa avy nilomano na avy nandro, ary tsy mampidi-doza ho an’ny fahasalamana izany.
Na izany aza, raha miketrona be loatra na tsy ara-dalàna ny rantsan-tanana nefa tsy nisy fifandraisana maharitra tamin’ny rano, dia mety misy ifandraisany amin’ny olana ara-pahasalamana sasantsasany izany. Amin’izay tranga izay dia tsara ny manatona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires