Miteny irery : zavatra ara-dalàna ve sa mety famantarana olana ?
Maro ny olona manana fahazarana miteny irery, ary indraindray tsy tsapan’izy ireo akory izany. Mety izany ho rehefa mieritreritra zavatra iray, rehefa manentana ny vatana alohan’ny hanaovana asa sarotra, na rehefa maneho fihetseham-po. Ny fanontaniana dia hoe zavatra ara-dalàna ve ny fitenena irery na ny firesahana amin’ny tena ? Tokony hampanahy ve raha lasa fahazarana matetika izany ?
Fihetsika fahita mihoatra ny eritreretina ny fitenenana irery
Diso ny fiheverana fa misy olana ara-tsaina ny olana iray matoa miteny irery. Betsaka tokoa mantsy ny olona miresaka amin’ny tenany rehefa manao zavatra samihafa, toy ny mahandro sakafo, mitady vahaolana amin’ny olana iray, mandamina ny tontolo androny, na miezaka mifantoka amin’ny zavatra iray.
Matetika ny ankizy dia mampiasa teny avoaka amin’ny feo rehefa mianatra sy miezaka mahatakatra ny tontolo manodidina azy. Rehefa lehibe dia mbola ao ihany izany fahazarana izany ka somary miafina kokoa. Ny fitenena zavatra toy ny hoe :
« Tsy maintsy mividy mofo aho androany »
« Vitako io »
« Aiza no nametrahako ny lakile ? »
Dia endrika firesahana amin’ny tena izay mbola mbola ara-dalàna tanteraka.
Inona no mahatonga antsika miteny irery ?
Maro ny antony mety mahatonga izany.
Mba handaminana tsara ny eritreritra
Rehefa avoaka amin’ny teny ny zavatra ao an-tsaina dia manampy ny atidoha handamina sy hanasokajy ireo hevitra. Ny firesahana amin’ny feo avo dia mety hanampy amin’ny fahazoana zavatra iray, amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, na amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny olana.
Manampy amin’ny fifantohana
Misy olona miteny irery rehefa manao asa sarotra. Ny famerenany amin’ny teny avo ireo dingana tokony hataony dia afaka manampy azy hifantoka kokoa sy hampihena ny hadisoana. Matetika izany dia hita amin’ny olona mianatra zava-baovao na mila mitadidy « informations » maro.
Mba hampaherezana sy hanomezan-toky ny tena
Ny teny tsara lazaintsika amin’ny tenantsika dia mety hanampy amin’ny fanamafisana ny fahatokisan-tena. Ny filazana hoe :
« Ho vitako ity. »
« Mila tony aho. »
« Hanandrana fomba hafa indray aho. »
dia afaka manampy amin’ny fiatrehana rarintsaina sy fahasahiranana.
Mba hanehoana fihetseham-po
Rehefa avy nandalo andro sarotra ny olona iray dia mety hiteny irery mba hamoahany izay ao am-pony. Fomba iray voajanahary hanehoana fahasorenana, alahelo na ahiahy izany.
Mariky ny faharanitan-tsaina ve ny firesahana irery ?
Misy fikarohana sasany milaza fa mety hifandray amin’ny fahaiza-misaina tsara ny firesahana amin’ny tena. Ny olona manao izany dia mety ho afaka mandinika toe-javatra iray tsara kokoa, mandamina ny zavatra hataony ary mijery olana amin’ny fomba lavidavitra kokoa.
Na izany aza, tsy midika izany hoe marani-tsaina kokoa noho ny hafa ny olona rehetra izay miteny irery. Fomba iray ampiasain’ny atidoha fotsiny izy io mba hanampiana ny olona hiasa tsara kokoa amin’ny fiainana andavanandro.
Rahoviana no tokony hanahy ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy mampanahy ny fitenenana irery. Saingy misy toe-javatra sasany izay mety mila fanaraha-maso manokana. Tsara arak’izany ny manatona mpitsabo na manam-pahaizana raha toa ka :
-mandre feo tsy voafehy ilay olona ary toa avy amin’ny olona na zavatra ivelany izany;
-mamaly feo toy ny hoe miresaka amin’olona tsy hita maso;
-very fifandraisana amin’ny zava-misy;
-miteraka fijaliana ara-tsaina lehibe izany;
-misy fiovana lehibe amin’ny fitondran-tena na ny fiainana andavanandro.
Ny fahasamihafana lehibe mila fantatra dia hoe ny firesahana amin’ny tena na fitenenana irery ara-dalàna dia zavatra atao amim-pahatsiarovan-tena sy an-tsitrapo. Ny toe-javatra sasany toy ny fahenoana feo tsy tena misy kosa dia mety tsy ho voafehy.




