Vohitra’Ambohimanga : Feno 25 taona ny naha « Lova Iraisan’izao Tontolo Izao » eo anivon’ny UNESCO azy
Feno 25 taona amin’ity taona ity ny nahatafiditra ny Vohitr’Ambohimanga ao anatin’ny Lisitry ny « Lova Iraisan’izao Tontolo Izao » an’ny UNESCO. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly 31 mey ny fankalazana, izay hitohy mandritra ny taona, ary hifarana amin’ny volana desambra 2026.
Vohitra tsy manam-paharoa, vavolombelon’ny tantara
Lanonana ara-kolontsaina malagasy no nanamarika ny fanombohana ny fankalazana ny faha-25 taonana naneken’ny UNESCO ny Vohitra Ambohimanga ho isan’ireo Lova Iraisan’izao Tontolo Izao. Toerana iray manan-danja eo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny Vohitr’Ambohimanga, satria sady fonenan’ireo Mpanjaka fahiny no mitahiry ireo vakoka ara-materialy sy ara-panahy mbola voaaro hatramin’izao.
Mifototra amin’ny soatoavina ara-kolontsaina sy ara-tantara tsy manam-paharoa ananany ny maha-tsy manam-paharoa an’Ambohimanga. Mbola voatahiry ao ny endriky ny toerana, ny fanaka ary ireo fomba amam-panao nentin-drazana, izay isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara sy nanamarika ny tantaran’ny firenena. Izany no nahafahan’ity vohitra masina ity nisoratra ao anatin’ny lisitra maneran-tany tantanan’ny UNESCO, nanomboka tamin’ny taona 2001.
Vakoka mendrika arovana
Notarihin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, ny lanonam-panokafana notanterahina omaly, niaraka tamin’ny talen’ny Ofisin’ny Rovan’Ambohimanga (OSCAR), Andrianarivao Mbolamalala Sitraka Nantenaina. Tanjona amin’ity fankalazana tsingerintaona ity ny hampahafantarana bebe kokoa ny hasin’ny vakoka sy ny andraikitry ny rehetra amin’ny fiarovana azy. Nisongadina, nandritra ny lanonana, ny hiragasy sy ny vakodrazana ary ny tantara an-tsehatra, ho fampisehoana ny haren-tsaina sy ny kolontsaina malagasy. Nanafana ny fotoana ihany koa i Rajery, mpanakanto avy any Ambohimanga, tamin’ny alalan’ny fitendrena valiha. Nisy, ankoatra izay, ny fampirantiana sary mampiseho ny endriky ny Rova sy ny Vohitr’Ambohimanga tamin’ny vanim-potoana samihafa.
Raha tsiahivina, Ambohimanga dia vavolombelon’ny sivilizasiona merina teo anelanelan’ny taonjato faha-15 sy faha-19. Maneho ny hasin’ny Fanjakana nentim-paharazana sy ny fifandraisan’ny Malagasy amin’ny razana izy, sady ahitana rafitra ara-maritrano sy toerana masina manana lanja manokana. Tsy fankalazana fehy fankalazana fotsiny, araka izany, ny fanamarihana ny tsingerintaona faha-25 naha-« Lova Iraisan’izao Tontolo Izao » ny Vohitr’Ambohimanga, fa fotoana hampahatsiahivana fa vakoka iraisan’ny taranaka ankehitriny sy mendrika harovana izy ity.




