Faha-66 taonan’ny fahaleovan-tena : Hasongadina ny fitiavan-tanindrazana sy ny Foloalindahy ary ny teny malagasy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, androany, teny amin’ny Parvis Analakely ny fety fankalazana ny faha-66 taonan’ny Fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Nanatrika izany fotoana izany ireo mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Praiminisitra sy ireo Minisitra. Haharitra hatramin’ny 27 jona moa ny hetsika maro samihafa.
Fanandrantana ny fitiavan-tanindrazana
Tamin’ny alalan’ny fananganana ny fanevam-pirenena no nentina nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny fankalazana. Ny teto Antananarivo Renivohitra no ivon’izany saingy niaraka nanatanteraka fananganan-tsaina avokoa ny erak’i Madagasikara., tamin’ny 10 ora maraina Natao indrindra izany hanehoana ny firaisam-pon’ny Malagasy rehetra amin’ny fitiavan-tanindrazana. Iny loko fotsy, mena, maitso iny rahateo no manamarika fa mahaleo tena i Madagasikara, ka ny fananganana azy dia heverina hamelona indray ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy. Ny fotoana androany ihany koa no niantsoana ny Malagasy rehetra, hanangana ny sainam-pirenena isan-trano, mba hanandratana izany fitiavana izany.
Isan-karazany ny hetsika hanamarihana ity fotoan-dehibe ity, izay samy hanamarihana ny fitiavan-tanindrazana avokoa. Izany no nanentanan’ny Jeneraly Dodo Andrianilaina Tiana, filohan’ny Komity Nasionaly mpanomana ny fankalazana, ny vahoaka handray anjara amin’ireo hetsika ara-kolontsaina, ara-panatanjahantena ary ara-miaramila ao anatin’ny filaminana sy ny fahamendrehana.
Fetin’ny Foloalindahy
Ity fankalazana ity dia mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Mandritra ireo hetsika rehetra, raha ny fanazavana dia hasongadina amin’ny fomba maro ny zava-bita sy mampiavaka izany Foloalindahy izany. Tao anatin’ny fandraisam-pitenenany, ny Général de Division Razafitombo Maminirina Ely, Minisitry ny Foloalindahy dia nanamafy ny fahavononan’ny Foloalindahy hiaro hatrany ny tanindrazana, hitandro ny filaminana ary hijoro ho andrin’ny firenena. Nomarihiny fa izy ireo no ampinga sy herin’ny Firenena.
Iray volan’ny teny malagasy
Etsy andanin’izany rehetra izany dia ity volana jona ity ihany koa no hankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. Ny lohahevitra noraisina amin’izany dia hoe « Teny malagasy, teny velona, manorina Firenena vanona ». Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Médecin Général, Zafitasondry Ranoelson Marcellin dia nanentana izy ny hanomezana lanja ny teny malagasy, na amin’ny fiteny na amin’ny fanoratra. Ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia nentanina ny rehetra samy hanao ezaka hampiasana izany teny malagasy izany.
Araka izany, fety maro sosona no hankalazaina, mandritra ity volana jona ity. Hetsika samihafa ihany koa no hanatanterahana izany.




