Ireo fahazarana mandrisika ny « inflammation chronique » ao amin’ny vatana
Ny « inflammation » dia « réaction naturelle » ataon’ny vatana ho fiarovana rehefa misy aretina, ratra na zavatra manelingelina azy. Rehefa vetivety izy io dia manampy ny vatana ho sitrana. Saingy rehefa maharitra ela kosa ny « inflammation » dia mety hanimba tsikelikely ny fahasalamana ary mampitombo ny mety hisian’ny diabeta, aretim-po, fanaintainan’ny tonon-taolana, na olana amin’ny fandevonan-kanina. Araho eto ireo fahazarana tsy tandrina mety mandrisika ny « inflammation chronique ».
Fihinanana sakafo voahodina be loatra
Ny sakafo indostrialy sy voahodina dia matetika ahitana siramamy, sira ary menaka ratsy amin’ny fatrany betsaka, miaraka amin’ny akora simika fanampiny. Ny fihinanana chips, zava-pisotro mamy, mofomamy na sakafo efa vonona matetika dia mety hampitombo ny « inflammation » ao amin’ny vatana. Rehefa maharitra izany dia mety hanakorontana ny fandevonan-kanina sy ny fiasan’ny vatana amin’ny ankapobeny.
Fihinanana siramamy be loatra
Ny siramamy be dia mety mampiakatra tampoka ny tahan’ny siramamy ao anaty ra ary mampirisika ny « inflammation » ao amin’ny vatana. Anisan’ny tena mampitombo izany ny zava-pisotro mamy sy misy gazy, vatomamy, mofomamy ary tsindrin-tsakafo indostrialy. Ankoatra izay dia mety hiteraka hatavezana ihany koa ny siramamy tafahoatra ary ny hatavezana tafahoatra dia mifandray amin’ny « inflammation » maharitra.
Tsy fahampiana torimaso
Rehefa tsy ampy na tsy milamina ny torimaso dia mety tsy hiasa tsara intsony ny hery fiarovan’ny vatana. Tsy afaka mamerina hery tsara ny vatana ka lasa mampitombo ny zavatra mahatonga « inflammation ». Ny tsy fahampian-torimaso maharitra dia mety hisy fiantraikany amin’ny vatana sy ny saina. Averina hatrany fa tokony matory eo anelanelan’ny adiny 7 hatramin’ny adiny 9 ora isan’alina ny olona iray.
Rarintsaina maharitra
Ny rarintsaina na « stress » maharitra dia mahatonga ny vatana hamokatra be loatra ny hormonina sasany, toy ny « cortisol ». Rehefa maharitra izany dia mety hanimba ny fifandanjan’ny vatana ka mampitombo ny « inflammation ». Mety hiteraka olana amin’ny fandevonan-kanina, havizanana, aretin’andoha ary fanaintainana amin’ny hozatra ihany koa ny rarintsaina maharitra.
Tsy fampihetsiketseham-batana
Mila mihetsika ny vatana mba hiasa tsara. Rehefa mipetrapetraka na matoritory foana ny olona dia mety hihena ny fivezivezen’ny ra ary hitombo ny tavy, indrindra eo amin’ny kibo.
Na dia mandeha tongotra isan’andro aza dia efa afaka manampy amin’ny fampihenana ny « inflammation » sy amin’ny fanatsarana ny fahasalamana.
Fifohana sigara sy fisotroana toaka tafahoatra
Ny sigara dia mampiditra poizina maro ao amin’ny vatana ka manimba sela sy mampitombo ny « inflammation ». Toy izany ihany koa ny toaka be loatra, izay mety hanimba ny aty sy ny taova hafa. Rehefa maharitra ireo fahazarana ireo dia mampitombo ny « risques » hisian’ny aretina maro.
Tsy firaharahiana olana ara-pahasalamana sasany
Ny aretina tsy tsaboina, ny fahasimban’ny nify sy ny hihy, ny hatavezana na ny olana amin’ny tsinay dia mety hampaharitra ny « inflammation » ao amin’ny vatana. Noho izany dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo rehefa misy soritr’aretina maharitra na misy olana ara-pahasalamana.
Tsy fahampian’ny sakafo voajanahary
Ny tsy fahampian’ny voankazo, legioma ary sakafo misy « fibres » sy « antioxydants » dia mety hampitombo ny « inflammation » ihany koa. Ireo sakafo ireo dia mitahiry karazana otrikaina sy mineraly manampy ny vatana hiaro tena amin’ny fahasimban’ny sela. Ny fihinanana sakafo voajanahary sy voalanjalanja kokoa dia afaka manampy hampihena tsikelikely ny « inflammation chronique ».




