Gare Routière FISANDRATANA Amoronankona : Ho azo ampiasaina mialoha ny 26 jona
Manodidina ny 10 taona izao no vita, saingy nipetra-potsiny, ny tobim-piantsonan’ny taksibrosy eny Amoronakona, ao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely. Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro, Andrianavalona Herizo, androany, dia hosokafana amin’izay ity fotodrafitrasa ity ary afaka iray volana mahery dia ho azo hampiasaina.
Fotodrafitrasa efa vita efa ela
Nidina teny amin’ny tobim-piantsonan’ny taksibrosy eny Amoronakona, androany 6 mey 2026, ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro, Andrianavalona Herizo sy ireo mpiara-miasa aminy. Hita teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ireo mpitatitra sy ny avy amin’ny orinasa Jovena, izay tompon’antoka tamin’ny fananganana ity fotodrafitrasa ity. Araka ny tatitry ny minisitra dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Fanjakana sy ity farany. Nifanarahana, nandritra izany, fa hosokafana sy hampiasaina amin’izay ny tobim-piantsonan’ny taksibrosy « Fisandratana » eny Amoronakona. Fara-fahatarany, mialohan’ny fetim-pirenena 26 jona, no hisokafan’izany.
Ireo zotram-pitateram-bahoaka mampifandray an’Antananarivo amin’ny Faritra Atsinanana, mandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa, sy ireo zotram-pitateram-bahoaka rehetra mandray ny lalam-pirenena faha-7 no kendrena hampiasa ity tobim-piantsonana ity. Na misokatra aza ny eny Amoronakona dia tsy mbola ho foana akory ny tobim-piantsonana eny amin’ny Fasan’ny Karana sy ny eny Andohatapenaka, fa tsy maintsy mbola hisy ny fifampiresahana amin’ireo izay mety ho voakasika, araka ny fanazavana.
Hisokatra ny antso fanehoana fahalinana
Mbola mitohy ihany koa ny fifampiresahana eo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa Jovena, mikasika ny fampiasana ity tobim-piantsonan’ny taksibrosy eny Amoronakona ity, mandrapahita ny marimaitra iraisana, fa ny azo antoka aloha, araka ny notsipihin’ny minisitra, dia tsy maintsy hosokafana izy ity, satria efa ela loatra izay folo taona nipetrahany fotsiny izay.
Dingana manaraka ny famoahan’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro ny antso ho amin’ny fanehoana fahalinana (appel à manifestation d’intérêt), mba hahafahana misafidy izay hitantana ny tobim-piantsonana vaovao. Momba ny fotodrafitrasa dia ny fanavaozana ny loko no asa mbola tokony hatao, ka izay hahazo ny fitantanana azy no heverina fa hanatanteraka izany, raha ny voalazan’ny minisitry ny Fitaterana.




