Fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny hitoe-jaza : tena ilaina tokoa ve ?
Mihamaro ankehitriny ny mpivady vao manatanteraka fitsiriana ara-pahasalamana alohan’ny fikasana hiteraka. Tsy mijanona amin’ny fanajanonana ny fanabeazana aizana ny fanomanana vohoka. Maro ny fitiliana sy lafin-javatra tokony hojerana alohan’ny hitoe-jaza mba hiantohana vohoka milamina. Araho ary ny andinindininy mikasika izany.
Ny antony hanaovana fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny hitoe-jaza
Zava-dehibe tsy tokony atao tsirambina ny fanaovana fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny fitondrana vohoka. Tsy haitraitra izy io fa maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fanantanterahana azy :
-Manampy hanatsarana ny « chance » hitoe-jaza sy hahazoana zaza,
-Mba hiantohana vohoka milamina sy mizotra ara-dalàna,
-Hisorohana ny loza mety hitranga amin’ny reny sy ny zaza, toy ny fahasamponana na tsy fahatomombanan’ny zaza hatrany am-bohoka, fahasarotana eo am-piterahana…
Fizaham-pahasalamana mialoha ny vohoka : dingana manan-danja
Ny fanantonana mpitsabo (gynécologue, rasazy na dokotera mpampivelona) no dingana voalohany atao mialohan’ny hametrahana ny zaza. Mandritra izany fizaham-pahasalamana izany dia:
-Jerena ny tantaram-pahasalamana manokana sy ara-pianakavian’ny mpivady,
-Dinihina ny fanafody raisina (misy fanafody tsy mety amin’ny vohoka),
-Hamarinin’ny mpitsabo ny vaksiny efa natao,
-Mety hampanaovina fitiliana,
-Mahazo torohevitra manokana (sakafo, fomba fiaina, fanampin-tsakafo).
Fotoana ihany koa izy io hanehoana ny olana mety misy, toy ny tsy fahatomombanan’ny fadimbolana, fahasarotana mitoe-jaza, na aretina efa fantatra (diabeta, olana amin’ny tiroida, endometriozy, sns.).
Ireo fitiliana rà ilaina
Matetika ny mpitsabo dia mangataka fitiliana rà mba hanamarinana ireto manaraka ireto:
-Sokajin-drà sy « rhésus ». Ilaina ny mahafantatra izany mba hisorohana olana mety hitranga noho ny tsy fitovian’ny « rhésus » eo amin’ny mpivady.
-Fitiliana aretina (sérologies). Jerena raha manana hery fiarovana amin’ireto aretina mety hampidi-doza mandritra ny vohoka ireto: « Rubéole », « Toxoplasmose », « Hépatite B », « VIH », Sifilisy. Raha tsy mbola voaaro amin’ny « rubéole » ny vehivavy dia asaina manao vaksiny mialoha, ary mila miandry fotoana kely vao mikasa hitoe-jaza.
-Siramamy ao anaty rà. Mba hamantarana raha misy diabeta na loza mitatao aminy.
-Fitiliana tiroida. Ny tsy fetezan’ny tiroida dia mety hisy fiantraikany amin’ny famokarana atodinaina sy ny fandehan’ny vohoka.
Fitiliana aretina ara-pananahana
Mety hanaovana fizahana manokana ny vehivavy mandritra ny fitsirihana ara-pahasalamana mba :
-Hikarohana aretina mifindra amin’ny firaisana (IST),
-Hamaritana raha misy aretina ao amin’ny fivaviana.
Ny aretina sasany raha tsy tsaboina dia mety hanasarotra ny vohoka na hisy fiantraikany amin’ny fahafahana mitoe-jaza.
Fanombanana ny fomba fiaina
Fotoana tsara hanitsiana sy hanatsarana ny fomba fiaina ny tetikasa hanan-janaka:
-Fijanonana amin’ny sigara,
-Fampihenana na fanajana tanteraka ny alikaola,
-Fihinanana sakafo voalanjalanja,
-Fanatanjahan-tena tsy tapaka,
-Fitantanana ny adin-tsaina,
-Fitazonana lanja ara-dalàna.




