Aretina tifôida na « typhoïde » : ireo fambara tsy azo atao tsirambina
Ny tifôida, antsoina ihany koa hoe « fièvre typhoïde » dia aretina vokatry ny bakteria « Salmonella Typhi ». Mbola mahavoa olona maro eto amintsika izy io noho ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio sy ny fotodrafitrasa fanadiovana. Mety hiseho miadana ity aretina ity, nefa raha tsy tsaboina ara-potoana dia mety hiteraka fahasarotana lehibe. Zava-dehibe ny fahafantarana mialoha ireo soritr’aretina voalohany mba hisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana mety hitranga.
Fambaran’ny tifôida : tazo maharitra sy tsy mahazatra
Tazo avo sy maharitra, mety hahatratra 39 hatramin’ny 40°C, matetika no soritr’aretina voalohan’ny aretina tifôida. Tsy toy ny tazo tsotra izay miafana afaka andro vitsivitsy izy io fa miakatra tsikelikely ary tsy mety midina.
-Matetika ny tazo avy amin’ny tifôida dia miaraka amin’ny fahatsapana :
-Mangovitra,
-Havizanana be,
-Tsy fahasalaman’ny vatana amin’ny ankapobeny.
Raha mitohy andro maromaro ny tazo nefa tsy mihatsara, dia ilaina ny manatona mpitsabo.
Olana amin’ny fandevonan-kanina
Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny taovam-pandevonan-kanina ny tifôida. Ireto no isan’ireo soritr’aretina hita matetika:
-Fanaintainan’ny kibo,
-Fivalanana na fitohanana,
-Fahalain-komana,
-« Ballonnements » na hoe mangotingotika ny kibo,
-Mety misy tasy mena madinika mipoitra eo amin’ny hoditra, indrindra eo amin’ny kibo sy ny tratra,
Havizanana lalina sy fahatsapana malemilemy
Mahatonga havizanana lalina sy fahatsapana malemilemy ny aretina tifôida. Mety hahatsapa reraka be ny marary, ho marary andoha matetika, ary sahirana mifantoka. Tsy mora misinda izay havizanana izany na dia miala sasatra.
Fahasarotana mety ateraky ny aretina tifôida raha tsy voatsabo
Raha tsy voatsabo ara-potoana ny aretina tifôida dia mety hiteraka fahasarotana goavana toy ny:
-Rà mikoriana ao amin’ny tsinay,
-Fahapotehan’ny tsinay,
-Fiparitahan’ny aretina manerana ny vatana.
Araka ny fanazavan’ny « Organisation mondiale de la santé » dia mety mampihena be ny « risque » mety hahafaty ny fitsaboana haingana ity aretina ity.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Tokony manantona mpitsabo malaky ny marary raha toa ka :
-Mihoatra ny 39°C ny tazo ary maharitra mihoatra ny 3 andro,
-Mihamafy ny fanaintainana kibo,
-Malemilemy tafahoatra,
-Vao avy niverina avy any amin’ny faritra ahitana tifôida betsaka.
Ny fitiliana sy fitsaboana ara-potoana dia manampy amin’ny fahasitranana tanteraka amin’ny ankamaroan’ny tranga.
Fomba hiarovan-tena
Ireto misy fepetra tsotra nefa mahomby hiarovan-tena amin’ny « fièvre typhoïde » :
-Misotro rano madio na voadio tsara,
-Manasa tanana amin’ny savony matetika,
-Mihinana sakafo masaka tsara,
-Manao vaksiny raha handeha any amin’ny faritra atahorana.




