« Crise d’épilepsie » na androbe : ireo fihetsika azo sy tsy tokony atao manoloana izany
Toe-javatra mety mampitebiteby ny mahita olona manao « crise d’épilepsie » na androbe. Ny fihetsika tampoka sy tsy voafehy, ny tsy fahatsiarovan-tena na ny fahaverezan-tsaina dia mety hampanahy… ary indraindray hitarika fikoropahana eo amin’ireo izay manatri-maso. Tsotra ihany nefa ny fihetsika tokony atao, ary misy ihany koa ireo fihetsika tsy tokony hatao mihitsy.
Ireo fihetsika tokony hatao manoloana ny olona manao « crise d’épilepsie »
Ny zavatra tokony atao voalohany manoloana ny olona manao « crise d’épilepsie » dia ny fitoniana. Tsy manampy velively ny fikoropahana ary mety vao maika hamapanaonao foana. Tsotra ny zavatra tokony atao :
-Atao azo antoka ny manodidina ilay marary. Esorina na afindra lavitra ireo zavatra mety hampidi-doza na handratra, toy ny fanaka, zavatra maranitra, afo… Raha azo atao dia asiana zavatra malefaka eo ambanin’ny lohany, toy ny akanjo, kitapo, ondana…
-Jerena tsara ary refesina ny faharetan’ny « crise ». Fantarina ny ora nanombohan’ny krizy sy ny faharetany. Jerena tsara ireo soritr’aretina mitranga, toy ny fihetsika, fahaverezan-tsaina, fifohana rivotra (respiration), fanintona… Ireo « informations » ireo dia tena ilain’ny mpitsabo hizaha ny toe-pahasalamany na handray an-tanana azy.
-Esorina ny akanjo manery. Alàna ny « cravate », sokafana ny bokotra amin’ny vozon’akanjo, esorina ny saron-tenda mba hahamora ny fifohana rivotra eo amin’ilay marary.
-Rehefa tapitra ny krizy dia atao mandry miorirana izy mba hisorohana ny fahasemporana raha misy rora miandrona ao am-bavany na raha mandoa izy.
-Mijanona eo akaikiny. Resahana am-pitoniana ilay marary nihetsika androbe rehefa miverina ny saina. Lazaina azy ny zava-nitranga satria mety hiasa saina sy hitebiteby izy aorian’ny krizy. Avela izy haka aina.
Ireo fihetsika tsy tokony hatao mihitsy
Misy ireo fihetsika tsy tokony hatao mihitsy manoloana ny olona iray mihetsika androbe na manao « crise d’épilepsie » :
-Manakana ny fihetsiny. Tsy azo tazomina na terena tsy hihetsika ilay olona manao krizy satria mety handratra azy sy ilay olona mitazona azy ny fanaovana izany.
-Manisy zavatra ao am-bavany. Maro ireo mihevitra fa mety hahakaikitra ny lelany izy mandritra ny krizy. Hevi-diso ihany nefa izany satria tsy hitranga izany. Ny fametrahana zavatra ao am-bavan’ilay marary dia mety hanimba ny nifiny na hiteraka ratra mafy.
-Mampisotro rano na manome sakafo. Endrasana hahatsiaro tena tanteraka ilay marary vao afaka homena rano na sakafo mba tsy ho kenda na hisindraovaka.
Rahoviana no miantso vonjy taitra ?
Antsoina avy hatrany ny mpamonjy voina manoloana ny olona manao « crise d’épilepsie » raha toa ka :
-Maharitra mihoatra ny 5 minitra ny krizy ;
-Misy krizy maromaro misesy nefa mbola tsy niverina ny sain’ilay marary ;
-Maratra izy, bevohoka na misy diabeta ;
-Krizy voalohany hita nahazo azy ;
-Tsy miverina mifoka rivotra (respirer) ara-dalàna rehefa tapitra ny krizy.




