• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eric Favre
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo fihetsika tsotra hampitomboana ny hery fiarovana

05/02/2026 11:32 © Moov.Mg

Zava-dehibe ny mikarakara ny hery fiarovan’ny vatana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiparitahan’ny viriosy miaraka amin’izany. Azo atao tsara moa ny mampitombo sy manamafy ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra ampiharina amin’ny andavanandrom-piainana. Araho eto ary ny santionany amin’izy ireny.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana hampitomboana ny hery fiarovana

Mitana anjara asa lehibe amin’ny fandrafetana sy fampitomboana ny hery fiarovana ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Ny sakafo manankarena vitamina, mineraly ary « antioxydants » no fitaovana voalohany hiadiana amin’ny aretina.
-Voankazo sy legioma : manome vitamina C, « bêta-carotène » ary « flavonoïdes » izay manampy amin’ny famokarana sela fotsy mpiady amin’ny aretina ;
-Proteinina tsara kalitao : ny hena mahia, atody, tsaramaso ary trondro dia manome « zinc » sy « acides aminés » ilain’ny hery fiarovana ;
-« Probiotiques » : izay hita ao amin’ny « yaourt » sy « kéfir » dia manampy amin’ny fitazonana ny « microbiote » ao amin’ny tsinay, izay tena ilain’ny hery fiarovana.
Tsy adinoina ny misotro rano ampy isan’andro.

Matory tsara isan-kalina

Manampy indrindra amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ny torimaso tsara kalitao. Ny olon-dehibe dia mila matory adiny 7 hatramin’ny adiny 9 ora isan-kalina. Tsy ampy fotsiny ihany moa io faharetany io fa mila tafiditra anaty torimaso lalina mihintsy mba hahafahan’ireo sela mihavao sy hahafahan’ny vatana sy saina miala sasatra tanteraka. Ny tsy fahampiana torimaso tsara kalitao dia mampihena ny famokarana « cytokines », izay singa manan-danja amin’ny fiadian’ny vatana amin’ny aretina.

Manetsiketsika vatana matetika

Ny fampihetsiketsehana ny vatana dia mandrisika ny fikorian’ny rà, ka manampy amin’ny fitaterana ireo sela mpiady amin’ny aretina manerana ny vatana. Ny fandehanana tongotra mandritra ny 30 minitra isan’andro na ny fanaovana fanatanjahantena amin’ny antonony dia efa misy vokany lehibe.

Mifehy ny rarintsaina

Ny rarintsaina maharitra dia mamparefo ny hery fiarovana. Marina fa tsy ilaozan’ny rarintsaina ny fianana maha olombelona. Azo atao kosa nefa ny mifehy izany amin’ny alalan’ny teknika tsotra, toy ny « respiration » lalina, ny « yoga », ny fialana voly… mba hampihenana ny adin-tsaina sy hanakanana azy tsy hivadika rarintsaina lalina sy maharitra. Ny fahaizana mifehy ny rarintsaina dia manampy amin’ny fanatsara ny hery fiarovana.

Lire la suite

Articles Similaires