"Dépression" : Ireo fambara fa miha-ketraka ny olona iray
Misoko mangina ny fahaketrahana na antsoina hoe "dépression". Maromaro ireo fambaran'izany, nefa matetika tsy tsapan'ilay olona voakasika sy ny manodidina azy.
Tsy ny vatana ihany no mila fikolokoloana fa eo ihany koa ny saina. Tsy ampy araka izany ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fanatanjahan-tena, satria tsy azo atao ambanin-javatra ny fahaizana mifehy fihetseham-po manoloana ny tranga samihafa.
Ireo fambaran'ny "dépression"
Maromaro ireo famantarana izay manaitra fa mizotra mankany amin'ny fahaketrahana ny olona iray.
-Rera-dava, na dia tsy miasa mafy aza. Mbola mitoetra ihany koa ny harerahana, na avy natory tsara aza ;
-Tsy mahatsiaro hafaliana intsony amin’ny zavatra nampifaly mahazatra na taloha ;
-Mitokana, tsy te hiresaka amin’olona. Tsy te hitantara na tsy mahita lazaina manoloana izay zava-mitranga. Mety hijanona eo anoloan'ny "écran" mba hamonoana eritreritra ;
-Be eritreritra be, matahotra, na mahatsiaro ho tsy misy ilana azy. Mitady lalana hanovana haingana ny asa na izay adidy iandraiketana ;
-Miova torimaso sy fahazotoan-komana (be loatra na mihena be);
-Lasa masiaka na kizitina na mora mitomany amin'ny zavatra tsy tokony hanohana ny fo akory.
Raha maharitra herinandro maromaro ireo soritr'aretina ireo, dia tsy “alahelo tsotra” intsony fa mety dépression na fahaketrahana.
Inona àry ireo fepetra tsara raisina ?
Tsy mora ny mitsabo ny fahaketrahana. Noho izany indrindra, tsy tokony avela ho lasa lavitra ireo fambara : raha vao misy soritr'aretina mampiahiahy dia tokony hanomboka ny fandraisana an-tanana. Matetika dia tsy vitan'ny fanohanana sy fampaherezan'ireo olona akaiky ny fanarenana ny olona tafalatsaka anaty fahaketrahana, ka ilàna ny fikarakaran'ny mpanam-pahaizana manokana. Raha avela hiitatra ireo fambara, mety ho tafalatsaka amin'ny fandraisana zava-mahadomelina na amin'ny famoizam-po ilay voakasika.
Tsara ny manamarika fa aretina ny "dépression" ka tsy vitavita hoazy ny fitsaboana. Miankina amin'ireo soritr'aretin'ny marary moa ny fandraisana an-tanana.




