Tsy fahampiana vitamina : tandremo fa mety miteraka aretina ara-batana sy ara-tsaina
Ny vitamina dia singa madinika na « micronutriments » manan-danja amin’ny fiasan’ny vatana. Na dia kely dia kely aza ny fatra ilaina dia manana anjara asa lehibe amin’ny fitandrovana ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina izy ireny. Ny tsy fahampiana vitamina dia mety hitarika olana ara-pahasalamana ara-batana na ara-tsaina, izay indraindray mety ho sarotra.
Ireo karazana vitamina sy ny asan’izy ireny ao amin’ny vatana
Samy manana anjara asa manokana eo amin’ny vatana ny vitamina tsirairay.
-Ny vitamina A dia miaro ny fahasalaman’ny maso sy ny hoditra, ary manamafy ny hery fiarovana ;
-Ny vitamina B (B1, B2, B6, B12, etc.) dia manampy amin’ny famokarana angovo, ny fiasan’ny ati-doha, ny fiforonan’ny « globules rouges » ;
-Ny vitamina C dia ilaina amin’ny fiarovana amin’ny aretina, amin’ny fahasalaman’ny « tissus » sy amin’ny fahasitranan’ny fery ;
-Ny vitamina D dia mitana anjara asa lehibe amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny taolana sy amin’ny fanohanana ny hery fiarovana ;
-Ny vitamina E dia miaro ireo sela amin’ny fahanterana aloha loatra ;
-Ny vitamina K dia ilaina amin’ny « coagulation » ny rà sy amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny taolana.
Ireo mety ho voka-dratsy ara-batana amin’ny tsy fahampian’ny vitamina
Raha tsy ampy ny vitamina, dia mety hiseho ireto soritr’aretina manaraka ireto:
-Reraka sy malemilemy raha tsy ampy ny vitamina B na tsy ampy « fer » ;
-Maina ny hoditra, mora tapatapaka na miongotra ny volo raha toa ka tsy ampy vitamina A, B na E ;
-Manana olana amin’ny fahitana, toy ny hoe tsy mahita tsara amin’ny maizina na koa tena tsy mahita intsony mihintsy amin’ireo tranga sarotra, raha toa ka tsy ampy vitamina A ;
-Malemy ny taolana ary mety hitarika « ostéoporose » raha tsy ampy vitamina D sy K ;
-Mandeha rà ary ela vao sitrana ny fery raha toa ka tsy ampy vitamina C na K ;
Ny voka-dratsy ara-tsaina amin’ny tsy fahampian’ny vitamina
Ny vitamina ihany koa dia tena ilaina amin’ny fahasalama ara-tsaina :
-Ny tsy fahampiana vitamina B6, B12 na « folates » dia mety hanakorontana ny fampokarana « neurotransmetteurs » toy ny « sérotonine ». Izany moa dia mety hitarika fiovaovan’ny fihetseham-po sy hahatonga fahaketrahana ;
-Ny tsy fahampiana vitamina B sy D dia mety hatonga harerahana ara-tsaina sy olana amin’ny fifantohana ;
-Ny tsy fahampiana vitamina B12, indrindra eo amin’ny beantitra, dia mety hahavery saina sy hahavery tadidy.
Ahoana no atao hisorohana ny tsy fahampiana vitamina ?
Mba hisorohana ireo olana ara-pahasalamana vokatry ny tsy fahampiana vitamina dia ilaina ny mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Anisan’ireo tsara hoanina isaky ny misakafo ny :
-Voankazo sy legioma manankarena vitamina C sy A ;
-« Céréales complètes » sy voamaina noho izy ireo mitondra vitamina B ;
-Vokatra azo avy amin’ny ronono sy trongo matavy mba hahazoana vitamina D ;
-Menaka zavamaniry sy « fruits à coque » noho izy ireo mitahiry vitamina E.
Mety ho ilaina ihany koa ny « supplément vitaminique », indrindra eo amin’ny olona nahazo taona, ny bevohoka sy ireo olona voafetra ny sakafo azony hoanina.


