Lehilahy mihoatra ny 30 taona : ireo fizahana ara-pahasalamana tsara atao
Na dia eo amin’ny fahatanjahana tanteraka aza ny lehilahy vao mihoatra ny 30 taona, dia eo ihany koa no fotoana hanomboan’ireo aretina miseho mangina. Ny rarintsaina, ny fiovan’ny fomba fisakafoana, ny fototarazo… maro ireo lafin-javatra mety hanakorontana ny toe-pahasalamana. Mba hahafahana mandray an-tanana mialoha ireo mety ho olana ara-pahasalamana ary dia andeha ho fantarina ireo fizahana ara-pahasalamana tsara ataon’ny lehilahy manomboka ny faha 30 taona.
Lehilahy mihoatra ny 30 taona : mila manara-maso ny tosidra
Ny tosidra avo matetika dia antsoina hoe « mpamono mangina ». Raha ny eto Madagasikara manokana dia mihamaro ny lehilahy voakasik’izy io noho ny rotoroton’ny fiainana sy ny fihinanana sira be loatra. Inona no antony hanaraha-maso ny tosidra eo amin’ny lehilahy manomboka ny faha 30 taonany ? Mba hisorohana ny fahatapahan’ny lalan-drà sy ny aretim-po. Azo hanaovana io fizahana ara-pahasalamana io avokoa na eny amin’ny dokotera tsotra, ny CSB sy ny toeram-pitsaboana samihafa. Afaka mividy ny fitaovana fijerena tosidra eny amin’ny farmasia ihany koa.
Manao fitiliana ny tahan’ny siramamy anaty rà (diabeta)
Mihombo malaky ny diabeta sokajy faha-2 eo amin’ny lehilahy mihoatra ny 30 taona. Ny fisotroana zava-pisotro mamy loatra sy ny toaka, ny fihinanana sakafo be « glucides », toy ny vary, paty, mofo… be loatra no mampitombo ny « risques » hampisy azy io. Ilaina ny fanaovana fitiliana ny tahan’ny siramamy mnaty rà satria ny fahafantarana azy aloha dia ahafahana manintsy ny sakafo sy ny fomba fiaina dieny mbola tsy misy ny fahasarotana (eo amin’ny maso, ny voa, ny lalan-drà…). Azo atao eny amin’ny toeram-pitsaboana rehetra io fitiliana ny diabeta io, misy ihany koa ny fitaovana natokana ho an’izany azo vidiana eny amin’ny farmasia.
Manao fitiliana tavy ao anaty rà (cholestérol)
Rehefa dila ny faha 30 taona eo amin’ny lehilahy dia miova ny fiasan’ny vatana. Ny tavy ratsy (mauvais cholestérol) be loatra dia mety hanentsina ny lalan-drà na dia mbola hita mantanjaka sy tsy marary azy. Zava-dehibe arak’izany ny fanaovana io fitiliana ny tavy anaty rà io mba hiarovana ny mety ho vokatry ny tavy ratsy eo amin’ny fiasa sy fahasalaman’ny fo. Amin’ny alalan’ny fitiliana ny rà manontolo (LDL, HDL, Triglycérides) moa no ahafahana mamantatra io tahan’ny tavy ratsy anaty rà io.
Araha-maso ny fiasan’ny voa (créatininémie)
Matetika dia avy amin’ny aretina tsy voatsabo tsara na ny fihinanana fanafody fahatany (manao dokotera tena) no mitarika ny aretin’ny voa raha ny eto Madagasikara manokana no jerena. Mazava ho azy fa misy ihany ireo anton-javatra hafa mitarika azy io ankoatra ireo voalaza ireo. Ilaina ny manara-maso ny fiasan’ny voa eo amin’ny lehilahy manomboka ny faha 30 taona mba ahitana fa mbola manivana tsara ny rà ny voa. Amin’ny alalan’ny fitiliana ny tahan’ny « créatinine » ao anaty rà sy ny fitiliana ny « albumine » anaty pipy moa no ahitana izany.
Fizahana ny fahasalaman’ny « prostate » sy ny fitiliana aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo
Matetika moa dia aorian’ny faha 50 taona no miseho ny homamiadan’ny « prostate ». Na izany aza nefa dia mety ho tratry ny areti-mifindra na hisy fivontosana (prostatite) ny « prostate » rehefa manomboka eo amin’ny faha 30 taona. Ankoatra izay moa dia tsara hatrany ny manao fitiliana ireo aretina azo vy amin’ny firaisana ho an’izay rehetra mbola miray ara-nofo. Inona no anton’izany ? Mba hitsaboana ny aretina dieny mbola tsy mihombo be sy hanaraha-maso ny fahasalaman’ny taovam-pananahana.


