• Cours de change
  • 5302.84 AR
  • |
  • $4570.87 AR
Copyright Image : © American Heart Association
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fihinanana fanafody : ireo fitsipika sy fepetra tsara fantatra

06/01/2026 11:42 © Moov.Mg

Ny fanafody hoanina na hoe « par voie orale » no fomba fandraisana fanafody be mpampiasa indrindra. Izany hoe atelina ilay fanafody mba handalo ao amin’ny rafi-pandevonan-kanina alohan’ny hidirany ao anaty rà. Na dia mora ary ny fampiasana azy ireny dia ilaina ihany ny manaraka fitsipika mazava mba hampandaitra tsara izany sy hisorohana ny « effets indésirables ». Araho ary ny andinindininy tsara fantatra.

Ireo karazana fanafody hoanina

Misy karazana maro ny fanafody hoanina, ary samy manana ny mampiavaka azy avy izy ireo.

Ny « comprimés »

Fanafody hoanina manana endrika mivaingana ary misy fatra mazava tsara ny « comprimés ». Misy karazana maro izy ireny :
-Ny « comprimés » tsotra izay atelina tanteraka amin’ny rano
-Ny « comprimés sécables » izay azo tapahana raha natokana ho amin’izany ny tsipika eo aminy
-Ny « comprimés effervescents » izay tsy maintsy levonina tanteraka anaty rano vao sotroina
-Ny « comprimés orodispersibles » izay levona eo ambony lela, indraindray tsy mila rano.
Marihana fa misy ami’ireo « comprimés » no tsy mahazo totoina na tsakoina satria manova ny fiasan’ilay fanafody ny fanaovana izany. Mety hanampoizina na hitera-doza ihany koa satria mety ho lasa anaty rà aloha na be loatra.

Ny « gélule »

Ny « gélule » dia mitahiry fanafody vovony na « granules » kely ao anatiny. Atelina manontolo miaraka amin’ny rano betsaka no fomba fihinanana azy. Tsy azo sokafana ilay fonosana misy ilay vovoka fanafody raha tsy nahazo toromarika manokana avy amin’ny mpitsabo. Ny anton’izany dia satria mety ho simban’ny vavony ilay fanafody ka lasa tsy mandaitra. Mety hitarika fanapoizinana ihany koa raha lasa aloha na be loatra anaty rà.

Ny « sirop » na ranom-panafody sotroina

Matetika ny « sirop » dia ampiasaina ho an’ny ankizy na olona sahirana mitelina na dia afaka mahazo io fanafody sotroina io avokoa nefa ny rehetra. Rehefa misotro « sirop » dia ampiasaina hatrany ny fitaovana fandrefesana manokana miaraka aminy. Tsy tokony mampiasa sotro an-dakozia raha efa misy io famarana io anatin’ilay fanafody. Ahontsana tsara foana ny tavoahangy vao hangalana. Hajaina tsara ny fatra nomen’ny mpitsabo.

Oviana no tokony mihinana fanafody ?

Misy fiantraikany lehibe amin’ny fahombiazan’ny fitsaboana ny fotoana hinanana ny fanafody. Mila hajaina tsara ny fetra sy ny ora fihinanana nofaritan’ny mpitsabo anaty « ordonnance ». Misy ny fanafody hoanina anelanelan’ny sakafo, misy ireo hoanina aloha ny sakafo ary misy ireo aorian’ny sakafo.
-Alohan’ny sakafo (à jeun): matetika 30 minitra mialoha ny sakafo na 2 ora aorian’ny sakafo.
-Mandritra ny sakafo: manampy hisoroka fikorontanan’ny vavony.
-Aorian’ny sakafo: manatsara ny fandevonan’ny vavony.
-Amin’ny ora raikitra: ilaina mba hitazonana ny haavon’ny fanafody ao anaty rà (antibiotika, fitsaboana maharitra).
Ny tsy fanarahana ireo fotoana ireo dia mety hampihena ny vokatra na hampitombo ny voka-dratsy (effets secondaires).

Fanamarihana sy fitandremana

Misy ireo fepetra sy fitandremana tsara fantatra mikasika ny fihinanana fanafody :
-Ny rano no tsara indrindra hitelomana na hinanana fanafody. Fadiana ny mampiasa ronono, toaka, kafe, dite na ranom-boankazo sasany (toy ny pamplemousse), satria mety hanova ny fandraisan’ny vatana ny fanafody izy ireny ;
-Tsy azo atao ny mihinana mampitombo ny fatran’ny fanafody hoanina raha toa ka nanadino nihinana ny teo aloha ;
-Fadiana ny manapaka fitsaboana raha vao mihatsara ny soritr’aretina (indrindra ny antibiotika) ;
-Tsy azo atao ny mampifangaro fanafody maro tsy misy torohevitra.

Lire la suite

Articles Similaires