Fahasalaman’ny ankizy : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « impétigo »
Otrikaretina avy amin’ny bakteria izay mahavoa ny hoditra ary mora mifindra ny « impétigo ». Ny ankizy eo anelanelan’ny 2 sy 5 taona no tena voakasika izany fa mety mahavoa ny olon-drehetra ihany koa izy io. Inona ary ny atao hoe aretina « impétigo » ? Ahoana ny fisehony sy ny fitsaboana ary ny fisorohana azy io ?
Inona no atao hoe aretina « impétigo » ?
Aretina mahavoa ny hoditra izay tsy manaintaina ary tsy dia ahiana hamela holatra ny « impétigo ». Mora mifindra kosa nefa izy io ary mety mitarika fahasarotana raha toa ka tsy voatsabo ara-dalàna. Avy amin’ny bakteria « staphylocoques » na « streptocoques » moa no mahatonga azy ny aretina « impétigo ». Mila tsaboina malaky ary tsy alefa mianatra ny ankizy voan’izy io mba hamerana ny mety ho fahasarotana sy ny fiparitahan’ny aretina.
Misy karazany roa ny « impétigo ». Ny voalohany dia ny « impétigo croûteux » izay fahita matetika kokoa. Miendrika faritra marokoroko sy miofaka eo amin’ny hoditra izy io. Eo amin’ny hoditra salama ny « impétigo croûteux » no mipoitra voalohany ka manodidina ny lavak’orona, ny vava na ny lavaky ny fitombenana no hisehoany. Mihombo manerana ny vatana sy ny hodi-doha izany avy eo.
Ny « impétigo bulleux » no karazany faharoa. Izany hoe miendrika botsin-drano kely be dia be eo amin’ny hoditra ny fisehony. Eo amin’ny zazakely dia eo amin’ny tratra, ny taovam-pananahana, ny tanana na ny tongotra no hisehoany.
Inona no antony mety mahatonga ny « impétigo » ?
Ny fahatafidiran’ireo bakteria izay miaina eo amin’ny hoditra ao anatin’ireo ratra kely eo anivon’ny hoditra ny « impétigo ». Izany hoe mety efa mipetraka eo amin’ny hoditra ireo bakteria mahatonga ny « impétigo » ary nisy ratra kely nahafahany niditra sy nitombo tao anatin’ny hoditra. Ireo ratra kely ireo dia mety avy amin’ny « traumatismes », toy ny ratra, tataka, may na kaikitry ny bibikely. Eo ihany koa ireo aretina mpahazo ny ankizy izay mitarika hidihidy, toy ny nendramboalavo, lagaly, « eczéma »…
Ahoana ny fisehon’ny « impétigo » ?
Miotrika mandritra ny herinandro ao amin’ny hoditra nidirany ny « impétigo ». Anisan’ireo fambara mety miseho ny hoe misy mibontsibontsina mipoitra eo amin’ny hoditra. Matetika moa sady mangidihidy ary tsy manavy ny olona voa raha toa ka « impétigo croûteux » no mahazo azy. Mivadika lasa « croûtes » ireo bontsibontsina afaka andro vitsy. Raha « impétigo bulleux » no mahavoa ny ankizy latsaky ny 2 taona dia mety sady manavinavy izy no malemy ny kakà.
Ireo fahasarotana mety hitranga
Mety hitarika fahasarotana ny « impétigo », indrindra eo amin’ny zaza latsaky ny 6 volana satria mety hihombo be ireo bontsibontsina eo amin’ny vatany. Anisan’ireo fahasarotana mety hitranga ny « glomérulonéphrite aiguë » izay aretina vokatry ny « impétigo » ka mahatonga ireo bakteria hanafika ny voa ary mety hitarika « insuffisance rénale ». Ireo fahasarotana hafa mety mitranga ny « infections », « arthrite », « septicémie ».
Fitsaboana ny « impétigo »
Miankina amin’ny lafin-javatra roa lehibe ny fitsaboana ny « impétigo » : ny halebiazan’ny faritra voakasik’ireo « lésions » sy ny hamafin’ilay otrikaretina. Ny mpitsabo moa no mamaritra ny fitsaboana atao. Miompana amin’ny famerana ny fiparitahan’ny aretina sy ny fampidirana fanafody (antibiotiques) moa izany. Mba hisorohana ny « impétigo » dia mila diovina sy tsaboina tsara ireo mety ho ratra, na kely na lehibe, eo amin’ny hoditra. Tapahana fohy hatrany ny hohon’ny zaza sy ny ankizy mba tsy handratra azy raha sendra mihaotra izy.



