• Cours de change
  • 5095.92 AR
  • |
  • $4475.94 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanamboarana « confiture de litchis »

28/11/2025 16:08 © Moov.Mg

Vokatra izao ny letisia. Isan’ireo voankazo mamy sy ankafizin’ny maro izy ity. Azo hoanina amin’izao, atao anaty « salade de fruits », hanaovana ranom-boankazo. Mbola vitsy mahafantatra fa azo andrahoina hanamboarana « confiture » ihany koa ity voankazo ity. Araho eto ary ireo dingana tsotra amin’ny fanaovana « confiture de litchis ».

Ireo akora ilaina raha hanao « confiture de litchis »

-Letisia 1,5kg ;
-Siramamy 800g ;
-Voasary makirana 1.
-Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Voasana ny letisia, esorina ny vaoniny ary zaraina roa.

Manamboatra « sirop ». Atao anaty vilany ny rano 25sl, ny siramamy ary ny ranona voasary makirana. Avela hangotraka. Raha manana « thermomètre de cuisson » dia atao miketrika eo io fangaro io mandrapahatongan’ny hafanany 125°C.
Arotsaka ao anatin’ilay vilany misy ny « sirop » ny letisia voatetika. Avela hiketrika ambony afo antonony mandritra ny 20 hatramin’ny 30 minitra. Aroharoana matetika. Esorina ireo faikampaikany mitsingevana raha misy.
Mba hanamarinana ny fahamasahan’ny « confiture de litchis » dia atao ny « test de l’assiette ». Izany hoe maka lovia kely nampangatsiahana mialoha tao anaty vata fampangatsiahana. Asiana « confiture » vao mafana eo ambonin’io lovia io. Raha mivaingana na mihamafy malaky ilay « confiture » dia vita izy izay. Raha toa ka mbola mitsiranoka rehefa ahorirana ilay lovia dia mbola mila tohizana ketrehana.
Rehefa masaka araka ny tokony ho izy ny « confiture de litchis » dia afindra malaky anaty « bocal ». Izany hoe tokony manodidina ny 85 sy 90°C eo ny hafanany.

Lire la suite

Articles Similaires