Inona no mahatonga ny zazakely ho be ivy ?
Lasa be ivy, na be rora ny zazakely. Ara-dalàna ve hoe be ivy ny zazakely ? Inona no mahatonga ny zazakely ho lasa be ivy be ? ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasika ny « hypersalivation » na ny famokarana rora betsaka eo amin’ny zazakely.
Firy taona ny zazakely vao tsy be ivy intsony ?
Eo anelanelan’ny faha 2 volana sy faha 4 volan’ny zaza no manomboka tena miasa tsara ny « glandes salivaires » izay mamokatra ny rora. Ny rora dia manankarena « enzymes », « sels minéraux » sy « électrolytes » izay mandray anjara lehibe amin’ny fandevonan-kanina sy amin’ny « exploration sensorielle », indrindra rehefa milalao ny zaza.
Toe-javatra ara-dalàna ny hoe be ivy ny zazakely mandritra io fotoana io noho izy mbola tsy mahay mitelin-drora tsara. Manomboka ny faha 2 taona hatramin’ny faha 3 taonany ny zaza vao mahavita mandrindra kokoa ny famokarana rora. Mahay mitelin-drora izy ka tsy lasa be ivy be intsony.
Ireo antony matetika sy ara-dalàna mahatonga ny zaza be ivy
Amin’ny ankapobeny dia avy amin’ireo dingana lehibe amin’ny fivoaran’ny zazakely no mahatonga azy be ivy :
-Ny tsy fahamatoana « neurologique ». Mbola tsy mahay manakombona tsara ny vavany ary mbola tsy mahay mitelin-drora araka ny tokony ho izy toy ny olon-dehibe ny zazakely. Mbola tsy mahatanjaka tsara na mirindra tsara hitazomana ny rora am-bava ihany koa ny hozatry ny vava sy ny lelany.
-« Exploration orale ». Eo amin’ny manodidina ny faha 3 sy 4 volany eo ny zaza no manomboka mitondra zavatra (sy ny tanany) matetika any am-bavany. Io no fomba hamantarany ny tontolo. Io fihetsiky io dia mandrisika ny « glandes salivaires ».
-Ny fotoana fanirin’ny nify. Matetika ny famokarana rora be no fambara voalohany rehefa haniry nify ny zaza, alohan’ny hitsirian’izany eo amin’ny hihy. Ny « stimulation » sy ny « irritation » ny hihy no mampitombo be ny famokarana rora.
-Fampidirana ny « diversification alimentaire ». Rehefa manomboka manome sakafo vaingany ny zaza (eo amin’ny faha 6 volany) dia efa mamokatra rora sahady ny ao am-bavany vao mahita, mahare ny fofona na manandrana sakafo vaovao. Izany dia ho fiomanana amin’ny fandevonana ilay sakafo.
Oviana no tokony hanahy rehefa be ivy be ny zazakely ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony hisy atahorana ny mikasika ny zaza be ivy. Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha miseho miaraka amin’ny soritr’aretina hafa toy ireto manaraka ireto izany :
-Manavy, sorena be, mivonto be ny hihy satria mety ho avy amin’ny fanaintainana mandrirtra ny fitsirian’ny nify izany ;
-Sahirana miaina, be rora be mivoaka tampoka (raha efa somary lehibe ilay zaza). Mety ho avy amin’ny fahatelomana zavatra na otrikaretina lalina. Mila mandeha any amin’ny « urgence » ;
-Misy mandrotsirotsy mivaramena manodidina ny vava. Mety vokatry ny « dermatite de contact » ;
-Be ivy be tsy mijanona aorian’ny faha 3 taonany. Mety ho avy amin’ny olana amin’ny fitelomana na avy amin’ny « trouble neurologique ».



