Fahasalaman’ny maso : ‘ndeha ho fantarina ny atao hoe « daltonisme »
Ny « daltonisme », atao ihany koa hoe tsy fahatomombanan’ny fahitana ny loko, dia toe-javatra iray mahatonga ny olona tratran’izy io ho sahirana mahafantatra na manavaka loko sasany. Tsy aretina ny « daltonisme » fa matetika izy io dia nolovaina na avy amin’ny fototarazo.
Inona no atao hoe « daltonisme » ?
Miankina amin’ny sela manokana ao anatin’ny maso antsoina hoe « cônes » ny fahitana loko ara-dalàna. Misy karazany telo moa ny « cônes » ary samy mahita ny loko fototra telo : mena, maitso ary manga. Rehefa tsy miasa tsara na tsy misy ny iray amin’ireo karazana « cônes » ireo dia misy « daltonisme » ilay olona na atao hoe « daltonien ».
Ny olona « daltonien » dia misy tsy fahatomombanana eo amin’ny fahitana loko. Izany dia mahatonga azy tsy mahita tsara na tsy mahita fahasamihafana fa mampitovo ny loko tsy mitovy, indrindra ny mena sy ny maitso.
Ireo karazana « daltonisme »
Marihana fa misy karazany maro ny « daltonisme ». Anisan’ny tena fahita indrindra ny :
-Fahasarotana mahita na manavaka ny mena sy ny maitso. Io no « daltonisme » fahita indrindra. Mitovy ny fahitan’ilay olona « daltonien » ny loko mena sy maitso. Raha tsy miasa araka ny tokony ho izy ny « cône » maitso dia izay no atao hoe « deutéranopie ». Raha ny « cône » mena no olana dia atao hoe « protanopie ».
-Fahasarotana amin’ny fahitana ny loko manga sy mavo. Tsy dia fahita firy ity karazana « daltonisme » ity izay antsoina hoe « tritanopie ».
-« Monochromatisme » (Achromatopsie). Vitsy dia vitsy ny tranga ahitana azy. Ny olona tratr’izany dia mahita ny tontolo amin’ny loko mainty, fotsy sy « nuances de gris ». Izany hoe toy ireny sarimehitsika taloha be ireny. Tsy mahita loko afa-tsy izay izy.
Iza no karazan’olona betsaka misy « daltonisme » ?
Ny antony lehibe indrindra mahatonga ny « daltonisme » dia ny fototarazo izay misy ifandraisany amin’ny « chromosome X ».
-Ny lehilahy no betsaka voakasik’ity olan’ny fahitana ity raha oharina amin’ny vehivavy. Ny antony izany dia satria raha vao misy « chromosome X » iray fotsiny no mitondra ilay fototarazo misy fahatomombanana dia efa mety mitarika « daltonisme » izany eo amin’ny lehilahy.
-Ny vehivavy matetika no mitondra ny fototarazo mahatonga ny « daltonisme ». Vitsy kosa nefa amin’izy ireny no « daltoniennes ».
Misy ihany koa ny « daltonisme » izay avy amin’ny anton-javatra hafa toy aretina )diabeta, aretina mahavoa ny « nerf optique »), na koa avy amin’ny fanafody sasany tsy zaka.
Ireo olana mety ateraky ny « daltonisme » eo amin’ny fiainana andavanandro
Na dia tsy manaintaina aza ny « daltonisme », dia misy ihany ireo lafin-javatra sasany mety hanahirana eo amin’ny fiainana andavanandro vokatr’izy io :
-Fitaterana. Sarotra ny mamantatra ny loko eny amin’ireo takelaby eny amin’ny arabe ;
-Fianarana. Mila tonga saina amin’io toe-tena io rehefa mianatra mamaky sary sy mampiasa loko ;
-Asa. Misy amin’ireo asa sasany no mitaky fahafahana mahita sy mamantatra tsara ny loko.
Hatreto dia mbola tsy misy ny vahaolana maharitra hitsaboana tanteraka ny « daltonisme ». Misy kosa nefa ny solomaso manokana sy « logiciels » afaka manampy ny olona « daltoniens » sasany hahay hamantatra sy hanavaka ny loko. Zava-dehibe ny fahafantarana aloha ity olan’ny fahitana ity mba hahafahana miaina miaraka aminy.



