• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4481.24 AR
Copyright Image : © Ia
Image
Madagasikara

06 novambra 1995 - 06 novambra 2025 : Feno 30 taona ny nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana

06/11/2025 11:18 © Moov

Ny takarivan'ny 06 novambra 1995, nirohotra niakatra teny amin'ny "La Haute" ny vahoaka marobe, rehefa nahatazana afo mijoalajoala. Na dia nafotaka aza ny famonoana ny afo, lasa lavenona ny ankabeazan'ireo vako-pirenena nampiavaka an'i Madagasikara.

Manerinerina eny an-tampon'ny havoanan'Analamanga ny Rovan'i Manjakamiadana. Anisan'ireo toerana manintona mpizahatany maro io Rova io, na ireo Malagasy na vahiny, na mpianatra na mpikaroka na mpialasasatra.
Tsara ny mampahatsiahy fa tamin'ny taona 1864 no nanorenan'ny Mpanjaka Ranavalona I ny Rovan'i Manjakamiadana. Lapa vita amin'ny hazo no najoro voalohany, ka i Jean Laborde no nanao ny kisary rehetra mifandraika tamin'ny asa fanamboarana. Tamin'ny fitondran'i Ranavalona II vao nohodidinina vato ny Rova.

Fanarenana ny Rova (2005-2009)

Tamin'ny taona 2005, nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, no nanomboka ny asa fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana. Natsangana ny "Comité National du Patrimoine" izay nampandraketina ny fitantanana ny asa rehetra. Vaindohan-draharaha ny fanarenana ny "Lapa Manjakamiadana" naorin-dRanavalona I. Tetsy ankilany nefa, marobe ireo lapa hafa tsy maintsy natsangana ihany koa : Tranovola, Manampisoa ,Besakana , Mahitsielafanjaka,Tsiazompaniry,sns.
Vita 80% ny asa nokasaina ny volana jona 2008, ka nihofahofa teny an-tampon'ny Rova indray ny sainam-pirenena Malagasy.

Fanatsarana ny Rova (2020-2023)

Tamin'ny fitondran'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, tafiditra tao anatin'ny tetikasan'ny Ministeran'ny Kolontsaina ny fanarenana sy ny fanatsarana ny Rova. Nisy tokoa mantsy ny fanamboarana tsy maintsy natao, noho ny faanteran'ireo fotodrafitr'asa. Tamin'izany indrindra no namoahan'ireo tompon'andraikitra drafitra vaovao, ka nisy fanorenana vitsivitsy natao tao amin'ny faritry ny Rova. Anisan'ireo toerana vaovao ohatra ny "Kianja Masoandro", izay toerana filanonana. Mbola miteraka adi-hevitra moa izany hatramin'izao. Misy ihany koa ny toerana fandefasana horonantsary sy "hologrammes 3D". Any amin'ny rihana faha-3 moa dia misy Tranom-boky sy Arsiva.
Nanambara moa ny ireo tompon'andraikitra teo aloha fa ny asa rehetra dia nifantoka tamin'ny fampanarahana fenitra ny toerana, indrindra hanintonana mpizahatany sy ho fahamailoana manoloana ny loza voajanahary. Nandritra ny fitokanana tamin'ny volana jona 2023, novaina ho "Rovan'i Madagasikara" ny anaran'ny Rova eny Manjakamiadana.

30 taona aty aoriana, mbola tsy nisy ny Ampamoaka mikasika ny nahamay ny Rovan'i Madagasikara, Manjakamiadana.

Lire la suite

Articles Similaires