Governemantan’ny fanavaozana : Mpikambana miisa 29 no mandrafitra ny governemanta
Raha efa ela no niandrasana azy, dia tanteraka androany ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo Minisitra handrafitra ny governemanta tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ao anatin’izao Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara izao.
Governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro
11 andro taorian’ny fianianana nataon’ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël, dia nijoro ny governemanta ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka. Miisa 29 ireo minisitra handrafitra izany governemanta tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo izany, ka ny 10 amin’ireo no vehivavy. Misy amin’ireo minisitra vao voatendry no endrika efa fahita tao anatin’ny tontolo pôlitika teto Madagasikara, fa maromaro ihany koa ireo izay mbola tsy fantatra mihitsy. Tsikaritra, araka izany, fa niezaka nisokatra tamin’ireo antoko pôlitika isan-tsokajiny ity fanendrena ity.
Nanome roa volana azy ireo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana. Ny fitadiavam-bahaolana faran’izay haingana mikasika ny sehatra tena maharary ny vahoaka, amin’ny ankapobeny, no andrasana amin’izy ireo, ho an’ny paikady fohy ezaka. Eo koa ny fametrahana ny paikady ho entina mametraka ny rafi-pitantanana mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka, eo amin’ny lafiny antonony ezaka. Midika ho tsy fahombiazana, hoy ny kôlonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lahateniny, ny tsy fisian’ny vokatra mivaingana, aorian’io roa volana io. Mitarika ho any amin’ny fanovana ireo mpikamban’ny governemanta izany.
Ireto avy ireo minisitra mandrafitra ny governemanta
-Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana : Me Razafimanantsoa Hanitra
-Minisitry ny Foloalindahy : Razafitombo Maminirina Ely
-Minisitry ny Raharaham-bahiny : Razanamahasoa Christine
-Minisitry ny Fitsarana, mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana : Fanirisoa Ernaivo
-Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana : Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray
-Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola : Dr Ramiarison Hery
-Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Erick Michel Wouli Soumah Idrissa
-Minisitry ny Fanajariana ny Tany : Général de Division Lylison René de Rolland
-Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa : Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy
-Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa : Tsilefa Antonio
-Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana : Rasatarimanana José Nirina
-Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina : Andriniaina Rasoarahona
-Minisitry ny Varotra sy ny fanjifana : Andriamadison Haingotiana Michela Angèle
-Minisitry ny Asa, ny Fampananan'Asa ary ny Asampanjakana : Florent Soatiana Bety Léonne
-Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro : Raharisone Juste Crescent
-Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo : Ralitera Ny Ando
-Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena stratejika : Andriamparany Carl
-Minisitry ny Asa vaventy : Razafindrianarivo Henri Jacob
-Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga : Chan Kit Waye Jaco
-Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy : Manesimana Rafanomezantsoa Michaël
-Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana : Vololoniaina Lucie (Lily Rafaralahy)
-Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra : Andriamampiadana Mahefa
-Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina : Raharinirina Sidonie
-Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Rasambany Alain Désiré
-Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina : O’Gascar Fenosoa Mandrindrarivony
-Minisitra delege misahana ny Zandarimaria : Général de Brigade Bama Marima
-Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Dr Managna Monira
-Minisitry ny Fanabeazam-pirenena : Hanitriniaina Elisa
-Minisitry ny Rano, ny Fahadiovana sy ny Fidiovana : Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia
Notsipihan’ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara fa niarahana nidinika tamin’ireo herivelona sy ankolafin-kery maro eto amin’ny firenena ny fananganana izao governemanta izao. Maro, hoy izy, ireo naniry ny ho minisitra, saingy ireo aloha no voatendry. Nanafatra ireto farany izy, noho izany, mba ho mendrika ny fitokisana napetraka tamin’izy ireo, sy tsy hamerina ireo tsy nety nataon’ny teo aloha.


