Hain-trano teny Tsaramasay : Tokantrano 500 isa nahazo fampitaovana avy amin’ny Fondation Axian
Nanolotra fanampiana ho an’ireo olona traboina vokatry ny hain-trano teny Tsaramasay Ankazomanga ny Fondation Axian, androany 28 oktobra 2025. Fampitaovana ho entina manampy ireo mponina, amin’ny fanorenana ny fonenany indray, no nomena tamin’izany.
Mponina tsy manan-kialofana
Tokantrano manodidina ny 500 isa no notoloran’ny vondrona Axian, tamin’ny alalan’ny Fondation Axian, ireo fampitaovana ho fanohanana azy ireo amin’ny fanarenana trano fonenana indray, taorian’ny voina nahazo azy.
Raha tsiahivina dia nitrangana hain-trano mahery vaika teny Tsaramasay Ankazomanga, ao anatin'ny Boriborintany Fahatelon’Antananarivo Renivohitra, ny alahady 26 oktobra lasa teo. Trano 30 tafo teo ho eo no kila forehitra, nandritra izany, ka olona 384 isa no tsy manan-kialofana, araka ny antontan’isa navoakan’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Tandindondoza sy ny Loza (BNGRC).
Fanehoana firaisan-kina
Mba ho fanampiana ireo fianakaviana tra-boina ireo, dia nanolotra tafo « tôle » sy fantsika (pointe) ho an’ireo voakasiky ny loza ny Fondation Axian. « Andraikitry ny rehetra ny maneho firaisan-kina rehefa misy ny voina mitranga tahaka izao. Irianay ny hanome fanantenana indray, sy hamerina indray ny fahamendrehan’ireo mponina traboina, izay voatery mamerina manorina, noho izao tranga mampalahelo izao », hoy Razakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin’ny fiarahamonina eo anivon’ny Fondation Axian. Nanatrika ny fanolorana ireto fampitaovana ireto ny Tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja sy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, ary ireo solontena avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ministeran’ny Mponina.
Tsiahivina fa taorian’ny hain-trano goavana nitranga tany Mananjary, tamin’ny tapaky ny volana septambra lasa teo, ary nahakasika Fokontany niisa telo, dia nanome tolo-tanana ihany koa ny Fondation Axian. Fianakaviana traboina miisa 1830 no nisitraka izany.


