• Cours de change
  • 5187.19 AR
  • |
  • $4515.35 AR
Copyright Image : © Les Infos De Luniversité Dantananarivo
Image
Vaovao

Oniversiten'Antananarivo : Ny volana Novambra sy Desambra ny Fifaninanana hidirana taona voalohany

28/10/2025 15:39 © Moov

Tapaka ny 5 oktobra lasa teo ireo daty samihafa mikasika ny fandraisana ireo mpianatra taona voalohany. Ny volana novambra sy desambra no hanatanterahana ireo fanadinana fifaninanana, na fanaterana antotan-taratasy ho sivanina.

Saika nihemotra avokoa ireo raharaha lehibe teny anivon'ny Anjerimanontolo noho ny raharaham-pirenena nafana, iray volana lasa izay. Efa niverina tamin'ny laoniny nefa ny fampianarana sy asa rehetra ka tsy maintsy tanterahina ireo dingana rehetra ilaina amin'ny fandraisana ireo mpianatra vao afaka bakalorea, maniry hiditra taona voalohany.

Fanadinana fifaninanana

Samy manana ny fandaminany ny eny anivon'ny Fakiolte na Sekoly ambony tsirairay. Tsy misy mifanindry nefa ny daty mba hanomezana fahalalahana ho an'ny mpiadina amin'ny fanaovana fanadinana. Iaraha-mahalala mantsy fa tsy mora ny fidirana eny amin'ny Oniversitem-panjakana, satria voafetra ny isan'ireo mpianatra raisina.
-Faculté de Droit et des Sciences Politiques (FDSP) : Ny 5 desambra ny fanadinana ho an'ireo te hianatra lalàna, ary ny 8 desambra kosa ho an'ny lalam-piofanana Sciences Politiques ;
-Faculté d’Économie, de Gestion et de Sociologie (EGS) : Ho tanterahina ny 2 hatramin'ny 5 desambra ny fanadinana fifaninanana ;
-École Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA) : Ny 26 sy 27 novambra ny fifaninanana fihodinana voalohany ;
-École Normale Supérieure (ENS) : Tsy misy fiovana ny datim-panadinana, dia ny 9 hatramin'ny 12 desambra ;
-École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA) Vontovorona : Amin'ny volana desambra ny fifaninanana.

Fanivanana atontan-taratasy

Fanivanana atontan-taratasy na "sélection de dossiers" no hidirana taona voalohany ho an'ny "Faculté de Médecine" sy ny "Faculté des Sciences". Ho an'ireo fakiolte roa ireo, ny naotin'ny mpianatra tamin'ny bakalorea no hamaritan'ireo mpampianatra izay tokony ho tafiditra taona voalohany.
Ho an'ny "Faculté de Médecine", ny 28 novambra ny faran'ny fandraisana ny anTapaka ny 5 oktobra lasa teo ireo daty samihafa mikasika ny fandraisana ireo mpianatra taona voalohany. tontan-taratasy. Ny 15 novambra kosa ny daty farany handraisana ny antontan-taratasy ho an'ny "Faculté des Sciences".

Lire la suite

Articles Similaires