• Cours de change
  • 5187.48 AR
  • |
  • $4521.04 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta : Mbola eo am-pitadiavana ny marimaritra iraisana

27/10/2025 09:22 © Moov.Mg

Tsy nivoaka omaly, araka ny novinavinaina, ny anaran’ireo minisitra handrafitra ny governemanta tarihin’ny tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Araka ny fanambarana navoakan’ny Fiadidian'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, omaly alina anefa, dia hivoaka tsy ho ela izany.

Ao anaty fifampidinihana

Ny zoma 24 ôktôbra lasa teo, taorian’ny fihaonany tamin'ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara, no nilazan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, fa omaly alahady 26 oktobra 2025 no noheverina hamoahana ny anaran’ireo minisitra handrafitra ny governemanta tarihin'ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Tsy tanteraka anefa izany, fa mbola « mitohy ny fifampidinihana hiarahana amin'ireo mpandray anjara rehetra », hoy ny fanambarana nivoaka omaly alina. Na izany aza, hivoaka tsy ho ela ireo anarana efa andrasan’ny maro fatratra ireo, saingy mila fifampidinihana izany, mba hisian’ny marimaritra iraisana sy ho eken’ny rehetra. « Ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara dia manamafy ny finiavany hiasa ao anatin'ny fifampiresahana sy ho amin'ny tombontsoan'ny daholobe », hoy ny fanambarana.

Governemanta voalohany ao anaty tetezamita

Tsiahivina fa ny 20 oktobra 2025 no voatendry ho praiminisitry ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, araka ny didim-panjakana laharana faha-20251101. Telo andro taorian’ny nanatanterahan’ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny fianianany amin’ny maha-filoham-panjakana azy izany. Ny 22 ôktôbra kosa no tontosa ny fifamindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra teo aloha, ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa, sy ny Praiminisitra vaovao, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy.

Mandeha ny vinavina ny amin’ny anaran’ireo ho minisitra handrafitra ny governemanta voalohany ao anatin’izao vanim-potoanan’ny tetezamita izao. Efa misy anarana voatonontonona, indrindra tamin’ireo mpanohitra teo aloha sy ireo mpitolona, saingy mijanona ho vinavina ihany izany, mandrapivoakan’ny fanendrena ôfisialy avy amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires