Vohoka : mety mampitombo ny haben’ny tongotra tokoa ve ?
Maro ny bevohoka mahatsikaritra fa lasa nitombo ny « pointure » ny kirarony. Toe-javatra mety mitranga tokoa ny hoe lasa mitombo ny halava na ny haben’ny tongotra eo amin’ny vehivavy mitondra vohoka. Mety miverina ihany io habeny io rehefa teraka, nefa koa mety tsy miverina intsony. Andeha ho fantarina ny mety ho anton’ny fitomboan’ny tongotry ny vehivavy rehefa bevohoka.
Ireo antony mety mampitombo ny tongotra rehefa bevohoka
Tsy ny bevohoka rehetra no voakasiky ny fitomboan’ny tongotra mandritra ny fitondrana vohoka. Miankina amin’ny toe-batan’ny tsirairay ny fitrangan’izany na tsia. Anisan’ireo antony mety mampitombo habe na halavan’ny tongotra eo amin’ny bevohoka ny :
-Fiantraikan’ny fikorontanan’ny hormonina. Ny fitondrana vohoka dia mampitombo be ny famokaran’ny vatan’ny bevohoka horminina toy ny « relaxine » sy « progestérone ». Ireto farany dia manalefaka (assouplir) ny « ligaments » sy ny « tissu conjonctif ». Izany dia manova ny firafitry ny tongotra sy mampihitatra azy.
-Fitomboan’ny lanja sy fiandronan’ny rano. Rehefa bevohoka dia lasa mitombo ny lanja, ny habetsahan’ny rà sy ny fiandronana rano ao anatin’ny vatan’ny vehivavy. Anisan’ny voakasik’ireo fitomboana ireo ny tongotra, kitrokely sy ny ranjo. Lasa manavesatra ny lanja zakain’ny faladia tongotra izany ka mety mahatonga ny fiovana eo amin’ny habeny.
-Fiovan’ny « centre de gravité » ny vatana. Rehefa miha ngeza ny kibon’ny bevohoka dia mifindra lasa any aloha ny « centre de gravité » ny vatany. Izany dia mampiova ny fomba fizaran’ny lanjany mankany amin’ny tongony. Io fiovana io ihany koa dia mety mampihitatra ny haben’ny tongotra.
Ireo mety ho fiantraikan’ny fitomboan’ny tongotra eo amin’ny bevohoka
Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia voalaza fa ny 60% hatramin’ny 70% ny bevohoka dia mety hitombo 2 hatramin’ny 10 mm ny halavan’ny tongony mandritra ny fitondrana vohoka. Mety ho tonga hatramin’ny 1 sm moa izany eo amin’ny bevohoka sasany.
Tsy mitovy amin’ny fiovana eo amin’ny hozatra sy ny taolana mitranga mandritra ny fitondrana vohoka ireo fiovana eo amin’ny haben’ny tongotra. Ireto voalohany tokoa mantsy dia miverina amin’ny laoniny rehefa teraka ilay reny. Ny tongotra kosa mety tsy miverina amin’ny habeny taloha fa mijanona amin’io habeny nandritra ny fitondrana vohoka io.
Ankoatra izay dia mety mampitomba ny « risques » hampisy fanaintainana eo amin’ny vanintaolan’ny tongotra io fiovan’ny haben’ny tongotra eo amin’ny bevohoka io. Rehefa any aoriana, izany hoe rehefa miha antitra ilay vehivavy dia mety hisy olana eo amin’ny vanintaolana, toy ny « fascite plantaire », « arthrose » eo amin’ny tongotra na ny valahana…