Ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana oliva maitso
Voankazo kely fihinanana atao tsakitsaky na amin’ny salady ny oliva maitso. Izy io ihany koa moa no ampiasaina hanamboarana menaka oliva. Maro ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana oliva maitso. Araho ary ny santionany amin’izany.
Oliva maitso : manankarena « antioxydants »
Ny oliva maitso dia manankarena « composés végétaux » antsoina hoe « polyphénols ». Ireto farany dia manana fiasa « antioxydantes » tena mandaitra. Mifototra indrindra amin’ny fampihenana ny « risques » hahavoa ny areti-mitaiza, toy ny « athérosclérose » sy homamiadana izy ireo.
« Anti-inflammatoires »
Ny iray amin’ireo « polyphénols » ao anatin’ny oliva maitso dia antsoina hoe « oléocanthal ». Io singa io dia manana fomba fiasa mitovitovy amin’ireo fanafody « anti-inflammatoire ». Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia voalaza fa manampy amin’ny fanatsarana ny toe-pahasalaman’ireo olona tratry ny « polyarthrite rhumatoïde » izy io.
Manampy amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny fo
Marina fa mitahiry « matières grasses » betsaka ny oliva maitso. Marihana nefa fa ny ankamaroan’ireo « matières grasses » ireo dia tafiditra anatin’ny karazana « mono-insaturée » atao hoe « acide oléique ». Ity farany dia manampy amin’ny fampihenana ny « risques » hahavoan’ny aretin’ny fo amin’ny alalan’ny fandrindrana ny « cholestérol » sy tosidrà.
Manampy amin’ny fikoloana ny tsinay
Ny oliva dia isan’ireo sakafo « fermentés » fahita amin’ny andavanandro. Ny fihinanana azy ireny dia mitondra bakteria sy « enzymes » tsara ho an’ny tsinay. Izany hoe mampitombo ny fahasalaman’ny « microbiome intestinal » sy ny taovam-pandevonan-kanina izy ireo ary mety manatsara ny fiasan’ny hery fiarovana.