• Cours de change
  • 5174 AR
  • |
  • $4460.52 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Bevohoka misy rà mandeha : oviana no tokony hanantona mpitsabo ?

09/09/2025 15:27 © Moov.Mg

Isan’ireo tranga mety mampitaintaina tokoa ny hoe misy rà mandeha mandritra ny fitondrana vohoka. Mety ho midika fahasarotana eo amin’ny fitondrana vohoka foana ve izany ? Sa mety hoe tranga tsy dia misy atahorana loatra ? Oviana no tokony manantona mpitsabo ?

Inona no tokony atao raha misy rà mandeha ny bevohoka ?

Raha misy rà mandeha ny bevohoka dia mila manantona mpitsabo hatrany. Mila atao fizahana sy « échographie » izy mba hahafahana manara-maso ny fivoaran’ny vohoka. Mety misy tokoa ny hoe tsy misy atahorana ny rà mandeha mandritra ny fitondrana vohoka, nefa koa, eo amin’ny tranga sasany, dia mety ho fambarana fahasarotana izany.
Alohan’ny handehanana any amin’ny mpitsabo dia mila jerena tsara ny :
-Endriky ny rà ;
-Habetsahan’ny rà mandeha ;
-Lokony ;
-Fotoana na toe-javatra nanombohan’ny fisian’io rà mandeha io.
-Marihana fa rehefa mena sy betsaka ny rà dia tokony ho hanahy ary hanantona toeram-pitsaboana avy hatrany.

Ireo antony mety mampisy rà mandeha amin’ny 3 volana voalohan’ny vohoka

Ny vehivavy manodidina ny 1 amin’ny 4 dia mety hisy rà mandeha mandritra ny 3 volana voalohan’ny vohoka. Ny 50% amin’izy ireny dia mahatody io vohoka io hatramin’ny farany. Ny ankamaroan’ireo tranga dia rà kely mandeha tsy dia mampitaintaina loatra (fa mandrisika hanantona mpitsabo ihany nefa na dia izany aza).
Io fandehanan’ny rà kely, tsy dia atahorana loatra io, manditra ny 3 volana voalohan’ny vohoka io dia mety ho avy amin’ny :
-« Saignements de nidation », izany hoe rà kely « brunâtres » na « rosées » mandeha vokatry ny fipetrahan’ny atody « fécondé » ao anatin’ny tranon-jaza ;
-« Règles anniversaires », izay fotoana tokony nandehan’ny fadim-bolana ny volana manaraka raha toa ka tsy bevohoka ;
-Firaisana ara-nofo. Rehefa avy miray ara-nofo ny bevohoka dia mety misy rà kely mandeha vokatry ny fikorontanan’ny hormonina izay namparefo ny vozon’ny tranon-jaza.
Misy tranga sasany kosa nefa dia mety ho avy amin’ny olana sarotra kokoa no mahatonga io fandehanan’ny rà mandritra ny 3 volana voalohan’ny vohoka io. Anisan’ireo mety ho anton’izany ny hoe :
-Manao « menace de fausse couche » na hoe mitady ho afa-jaza ;
-Manao zaza an-tsosokoditra ;
-Manao « grosesse molaire » ;
-« Décollement trophoblastique ».

Ireo antony mety mampandeha rà ao anatin’ny 3 volana faharoan’ny vohoka

Matetika ny fandehanan’ny rà ao anatin’ny 3 volana faharoa na fahatelon’ny vohoka dia avy amin’ny fahasarotan’ny fitondrana vohoka, toy ny :
-« Menace de fausse couche tardive » na mitady ho afa-jaza ;
-« Hématome rétro-placentaire » ;
-« Placenta praevia ».

Lire la suite

Articles Similaires