• Cours de change
  • 5171.57 AR
  • |
  • $4464.3 AR
Copyright Image : © Notre Temps
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo soritr’aretina matetika hamaivanina nefa tokony hahamailo

04/09/2025 16:43 © Moov.Mg

Maro amintsika no manamaivana ireo soritr’aretina heverina fa mandalo na tsy misy atahorana. Marihana nefa misy amin’izy ireny no mety ho fambaran’aretina sarotra, indrindra raha mihombo na maharitra. Andeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’ireo soritr’aretina tokony hahamailo sy handrisika hanantona mpitsabo.

Harerahana lalina

Toe-javatra ara-dalàna ny fahatsapana reraka rehefa niasa be loatra, nanao fanatanjahantena, ratsy torimaso na nampiasa vatana mafy. Raha toa kosa nefa ka mahatsiaro tena reraka mafy nefa tsy misy antony mazava manazava izany dia mety ho efa ho fambarana olana ara-pahasalamana izany. Ny harerahana lalina tsy fantatra antony dia mety ho soritr’aretina manambara « anémie », diabeta, « maladie thyroïdienne », homamiadana… Raha maharitra mihoatra ny roa herinandro izy io na efa maka aina tsara aza, na koa hoe miaraka amin’ny fahatsapana mora sempotra, mihena lanja na hoe hatsatra dia tsara ny manantona mpitsabo.

Aretina andoha mafy be

Ny fahatsapana marary andoha mafy be sy tampoka dia mandrisika manantona mpitsabo. Mety ho fambarana « hémorragie cérébrale » ity soritr’aretina ity ka tsy azo hamaivanina. Mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany raha miseho miaraka amin’ny fambara hafa toy ny hoe mandoa, mienjana ny hatoka na tsy mahita tsara ny maso. Amin’ny ankapobeny dia tsy misinda ho azy io aretina andoha mafy be io ary matetika mila fandraisana an-tanana farak’izay haingana.

« Palpitations » sy fanimpanina

Zavatra mety mitranga ny hoe miova ny fidoboky ny fo (palpitations) na koa hoe mahatsapa fanimpanina na toy ny mitsingevana mandalo. Matetika dia hamaivanintsika ireny soritr’aretina ireny nefa mety efa fambarana « arythmie cardiaque » izay mety mitarika fahatapahan’ny lalandrà izany. Tokony hahamailo ireo fambara ireo raha miseho miaraka amin’ny fanaintainana ao amin’ny tratra, « malaise », « confusion »…

Misy mangana maromaro tsy fantatra antony mipoitra eo amin’ny vatana

Toe-javatra mety miseho ny hoe misy faritra mangana mipoitra eo amin’ny sandry na eo amin’ny fe. Tsy dia misy mampanahy izany. Raha toa kosa ka misy mangana maromaro mipoitra eo amin’ny vatana nefa tsy misy antony mazava manazava izany dia tokony mandrisika hanantona mpitsabo izany. Isan’ireo soritr’aretina manambara « trouble de la coagulation », « leucémie » na koa tsy fahampiana vitamina izany. Raha miseho miaraka amin’ny tevi-doha na hihy mandeha rà izany dia tsara ny manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires