• Cours de change
  • 5171.57 AR
  • |
  • $4464.3 AR
Copyright Image : © Heidi News
Image
Reny&Zaza

Fanabeazana aizana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « implant »

03/09/2025 14:43 © Moov.Mg

Ny « implant » dia ilay karazana fanabeazana aizana asisika amin’ny sandry. Mbola maro ny tsy mahafantatra azy io ary misy ihany koa ireo honohono re eny amin’ny fiarahamonina eny ka mandiso ny mikasika ity fanabeazana aizana ity. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra momba ny « implant ».

Inona tokoa moa ny « implant » ?

Ny « implant » dia fanabeazana aizana mampiasa fanafody asisika eo amin’ny sandry mba hisorohana ny vohoka tsy niriana. Miendrika plastika kely iray toa ny tahon’afokasoka mirefy 4sm izy io. Amin’ny alalan’ny tsindrona no hanatsofohana azy ao ambanin’ny hoditra eo amin’ny sandry. Azo antoka 99,9 % ity fomba fandrindrana fiterahana ity ary maharitra 3 taona ny faharetan’ny fiasany.

Ahoana ny fiasan’ny « implant » ?

Ny « implant » dia mitahiry fanafody mamokatra hormonina (progestérone) mba hanakanana ny vohoka tsy niriana. Tsotra ny fomba fiasan’izany ao amin’ny vatan’ny vehivavy :
Manakana ny famokaran’ny vatana atody (ovulation) ;
Manatevina ny « glaire cervicale » mba tsy hahafahan’ny tsirinaina (spermatozoïdes) ho tafiditra anatin’ny tranon-jaza.

Iza no tsy tokony mampiasa « implant » ?

Tsy afaka mampiasa « implant » ho fanabeazana aizana ny vehivavy :
-Ahiana na fantatra fa bevohoka ;
-Mandeha rà ivelan’ny fadimbolana tsy fantatra ny antony ;
-Misy akora tsy zaka ao anatin’ilay « implant » ka mampivoaka « allergies » eo amin’ny hoditra ;
-Misy homamiadan’ny nono na taovam-pananahana (na koa efa tratra) ;
-Misy diabeta, na avo ny « cholestérol » na ny « triglycéride » ;
-Taranak’olona avo tosidrà ;
-« Epileptique » ;
-Mampinono satria mampihena ny fatran’ny rononon-dreny ny hormonina vokarin’ny « implant ». Tsy mety na manao fampinonoana « mixte » aza.

Ireo tandremana rehefa manao « implant »

Any amin’ny mpitsabo na tobim-pitsaboana irery ihany no mametaka « implant ». Mila fahaizana tokoa mantsy ny fametahana azy io. Tsy tokony ho lalina loatra, izany hoe tafiditra anaty nofo, satria mety hananosarotra ny fanesorana azy izany. Tandremana tsara ihany koa ny « implant » mba tsy ho voadodoana mafy na matetika satria mety hiforitra na ho tapaka ka ho sarotra esorina. Ankoatra izay dia mila hajaina tsara ny fotoana tokony hanoloana azy io, izany hoe isaky ny 3 taona. Raha dila io fotoana io dia lefy ny fanafody ao aminy ka tsy handaitra amin’ny fisorohana ny vohoka tsy iriana intsony.

Ireo mety ho fiantraikan’ny « implant » eo amin’ny vatana

Satria ny « implant » dia mitahiry hormonina dia mety hiteraka fikorontanan’ny hormonina ao amin’ny vatan’ny vehivavy ny fampiasana azy io. Anisan’ireo mety ho fiantraikany ny hoe :
-Lasa kizitina ;
-Reraka ;
-Marary an-doha matetika (indrindra raha tsy misotro rano tsara) ;
-Fanina ;
-Be mony ;
-Lasa mahia na matavy loatra ;
-Mihintsana ny volo ;
-Be rivotra ;
-Tsy mazoto miray ara-nofo na lasa te hiray ara-nofo matetika ;
-Tsy mandeha ny fadimbolana na mahalana be ;
-Raha misy fadimbolana dia mety ho be dia be ny rà mandeha na koa mety ho zara raha misy ;
-Misy « kystes ovariens » (sitrana ho azy).
Marihana fa samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay. Noho izany dia mety misy hahitana ny sasany na ny maromaro amin’ireo fiantraikan’ny « implant » voalaza ireo, nefa mety misy koa tsy ahitana izany mihintsy.

Lire la suite

Articles Similaires