Mangovitra ny tongotra rehefa hatory : inona no mety ho antony ?
Toe-javatra mety mitranga ny hoe mangovitra ny tongotra vao midaboka hatory amin’ny alina. « Trouble neurologique » matetika miseho miaraka amin’ny fahatsapana manorisory, toy ny hoe mavaivay, mangoritsina, manintrotsindrona… izy io. Fa inona ary no antony mety mahatonga ny tongotra mangovitra rehefa hatory ?
Mangovitra ny tongotra rehefa hatory, mety avy amin’ny « crampes musculaires »
Isan’ireo antony matetika mampangovitra ny ranjo rehefa hatory iny ny « crampes musculaires ». Miseho amin’ny fikainkonana manaintaina sy tsy fanahy iniana eo amin’ny hozatry ny tongotra izany, indrindra ireo eo amin’ny ranjo. Maro ireo antony mety mahatonga azy io : tsy fahampiana rano, harerahana, fanafody sasany, tsy fahampiana mineraly sasany toy ny calcium, potassium, magnésium…
« Syndrome des jambes sans repos »
Ny « syndrome des jambes sans repos » dia « trouble neurologique » iray miseho amin’ny filàna mafy hanetsiketsika ny tongotra, matetika miaraka amin’ny fahatsapana manorisory toy ny hoe mavaivay na manindrotsindrona ao amin’ny tongotra. Rehefa maka aina ny vatana na rehefa hatory amin’ny alina izy io no tena mihetsika. Anisan’ny mety mahatonga azy ny fototarazo, ny aretina toy ny diabeta na ny « insuffisance rénale », ny tsy fahampiana otrikaina toy ny fer…
« Sursauts hypniques »
Ny « sursauts hypniques » dia ny fikainkonan’ny hozatra vetivety sy tsy fanahy iniana, matetika miaraka amin’ny fahatsapana hoe mianjera. Rehefa manomboka rendremana iny izy io no mitranga. Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana firy izy io ary maro ny olona mety manao izany. Matetika dia avy amin’ny rarintsaina, ny harerahana, ny fisotroana kafe be loatra na ny fikorontanan’ny torimaso no mety mahatonga azy io.
Inona no atao manoloana ny tongotra mangovitra rehefa hatory ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy dia tokony misy ahiana loatra ny fangovitan’ny tongotra rehefa alohan’ny hatory. Mety avy amin’ny anton-javatra mandalo izy io ka tsy atahorana hitarika olana ara-pahasalamana lalina. Anisan’ireo vahaolana manampy hisorohana azy io ny :
-Fifadiana ireo zava-pisotro manaitaitra toy ny kafe sy ny toaka, indrindra rehefa hariva ;
-Fanaovana « étirements » ny tongotra rehefa alohan’ny hatory mba hampitoniana ny « crampes » ;
-Fanatsarana ny torimaso sy ny fiezahana mampihena ny rarintsaina.
Mila manantona mpitsabo kosa raha toa ka miverimberina matetika ny fangovitan’ny tongotra rehefa alohan’ny hatory, raha tsapa fa mihamafy na lasa manelingelina tsy mampahazo aina. Ireo tranga ireo tokoa mantsy dia mety ho fambaran’olana ara-pahasalamana mila fandraisana an-tanana sy fitsaboana.