Be fanadinoana na verivery tadidy : oviana no tokony hanahy ?
Zavatra isan’ny manorisory ny fanadinoana na hoe verivery tadidy. Mety hampitaintaina ihany koa nefa izany, indrindra rehefa manomboka mahazo taona. Amin’ny maha olombelona antsika dia tsy voatery tadidy avokoa ny zavatra rehetra ary ara-dalàna ny hoe manadinodino kely indraindray. Oviana kosa ary no tokony hampanahy ny fanadinoana na ny fahaverezana tadidy ?
Ireo karazana fahaverezana tadidy
Marihana fa samy hafa ny fahaverezana tadidy ara-dalàna mifandray amin’ny fahanterana sy ny fahaverezana tadidy mety ho fambaran’aretina.
Ny fahaverezana tadidy ara-dalàna
Rehefa mahazo taona ny olona iray dia miova ny atidohany ary fantany fa lasa mihena ny fitadidiana. Mety tsy hatadidy teny saika noteniny, anaran’olona iray, fotoana aman’olona… Fanadinoana maivana ary miseho tsindraindray ihany izy ireny ary tsy manakana ilay olona hiaina toy ny mahazatra. Miha antitra tokoa mantsy ny atidoha ka lasa mihena kely miandalana ny fitadidiana.
Ny fahaverezana tadidy mety ho fambaran’aretina
Ny fahaverezana tadidy mafimafy sy matetika kosa dia mety ho fambaran’aretina sarotra, toy ny aretina Alzheimer. Anisan’ireo fambara tokony hahamailo ny hoe :
-Manadino ny « informations » voary vao hainga, toy ny resaka na toe-javatra vao avy nitranga ;
-Mamerimberina fanontaniana na fitantarana iray anatin’ny fotoana mifanakaiky ;
-Sahirana manao raharaha na zavatra efa fanao, toy ny hoe mahandro sakafo, mampiasa finday… ;
-Very ao amin’ny toerana efa mahazatra sy fantatra tsara, toy ny tanana honenana, toeram-piasana… ;
-Sahirana mandinika toe-javatra na manapa-kevitra ;
-Mahatsapa fiovaovan’ny toe-po na ny toetra, toy ny hoe verivery saina, miahiahy, ketraka…
Ireo antony mety mahatonga ny fahaverezana tadidy sy ny vahaolana
Tsy voatery ho fambaran’aretina foana arak’izany ny fahaverezana tadidy. Maro ireo antony mety mahatonga ny olan’ny fitadidiana, ary mety harenina tsara ny sasany amin’izany :
-Fanafody. Misy fanafody sasany, indrindra ireo fampatoriana, dia mety miteraka olan’ny fitadidiana ;
-Olona ara-pahasalamana. Misy toe-javatra sasany, toy ny tsy fahampiana vitamina B12, otrikaretina sasany… mety mampihena ny fitadidiana ;
-Faharatsian’ny torimaso. Ny tsy fahampiana torimaso dia isan’ireo antony matetika mahatonga fahaverezana tadidy sy olan’ny fifantohana ;
-Aretin’ny saina. Ny fahaketrahana, tebiteby sy ny rarintsaina dia mety misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fitadidiana ;
-Fisotroana toaka. Ny fisotroana toaka be loatra ihany koa dia mety mampihena ny fitadidiana.
Oviana no mila manantona mpitsabo ?
Raha mahatsikaritra ireo fahaverezan’ny fitadidiana mety ho fambaran’aretina voalaza teo ambony ireo dia mila manantona mpitsabo. Manampy betsaka amin’ny fitsaboana ireo anton’ny olan’ny fitadidiana mety harenina ny fahitana izany mialoha. Ho an’ny olona tratry ny « Alzheimer » dia manampy amin’ny famerana ny fihombon’ny aretina ny fandraina an-tanana izany dieny am-boalohany.