• Cours de change
  • 5141.27 AR
  • |
  • $4446.99 AR
Copyright Image : © Hop Dans Le Wok
Image
Fahasalamana&Sakafo

Laoka tsotra sy matsiro : fikarakarana hen’omby sy tongolo

25/08/2025 16:32 © Moov.Mg

Sarotra sy mampiferotr’aina antsika ny mikaroka ny laoka atao isan’andro. Nahandro mora karakaraina, tsy mila akora betsaka nefa dia matsiro ny hen’omby sy tongolo. Araho eto ary fomba tsotra fikarakarana azy sy ireo akora ilaina amin’izany.

Ireo akora ilaina raha hanao hen’omby sy tongolo

-Hen’omby nofony 250g ;
-Tongolo lehibe 4 ;
-Tongolo gasy hasiny 1 ;
-Saosy soja 2 sotrokely ;
-Maïzena 1 sotrokely ;
-Sakamalaho voakiky 1 sotrokely ;
-Menaka ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Siramamy tapaky ny sotrokely (tsy voatery).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Tetehana manify ny hena. Sasana ary avela hitsiaka anaty passoire.
Atao anaty lovia jobo kely ny maïzena. Asiana rano 1 sotro fihinanana. Arotsaka ao manarak’izay ny siramamy, saosy soja ary ny sakamalaho voakiky.
Afindra anaty saladier ny hen’omby ary alefa ao ilay fangaro tanafy lovia jobo teo. Afangaro tsara ary avela hilona mandritra ny adiny roa ora. Avadibadika matetika mba hiditra tsara anatin’ny hena ny tsiro.
Rehefa vita izay dia hafanaina ny menaka dia endasina amin’ny afo antonony ny hena. Rehefa mahazo loko dia esorina teo ambony afo.
Tetehana ny tongolo ary endasina anaty vilany hafa amin’ny afo malefaka. Rehefa manomboka malefaka dia arotsaka ao ny tongolo gasy voakiky sy ny hena voahendy teo. Avela hiketrika kely ambony afo malefaka ary aroharohana tsara tsy hiraikitra. Bataina teo ambony afo rehefa mahazo ny fahamasahana tadiavina.

Lire la suite

Articles Similaires