• Cours de change
  • 5131.15 AR
  • |
  • $4440.49 AR
Copyright Image : © Ff Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « poulet laqué au miel » matsiro

20/08/2025 16:49 © Moov.Mg

Isan’ireo sakafo ankafizin’ny maro ny akoho. Maro tsy voatanisa ny fomba azo hikarakarana azy io hahazoana nahandro matsiro. Efa maro moa ireo « recettes » nentina teto. Ho an’ireo mankafy sakafo mamy-masira dia ny fomba tsotra fanaovana « poulet laqué au miel » indray no zaraina manaraka eto. Araho ary !

Ireo akora ilaina raha hanao « poulet laqué au miel »

-Fen’akoho 500g ;
-Tantely 2 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Tongolo gasy ;
-Saosy trondro « Nuoc-mâm » 2 sotro fihinanana ;
-Saosy soja 1 sotro fihinanana ;
-Saosy huître 1 sotro fihinanana ;
-Vin de cuisine ½ vera.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Esorina ny taolan’ireo fen’akoho. Rehefa voasasa sy nitsika tsara dia atao anaty saladier. Arotsaka ao ny tongolo gasy voatoto, ny vin de cuisine ary asiana sira sy dipoavatra. Afangaro amin’ny sotrobe hazo ary avela hilona mandritra ny 30 minitra farafahakeliny mba hiditra tsara anatin’ireo nofon’akoho ny tsiro.
Miditra amin’ny fandrahoana ny akoho. Afanaina ny menaka kely anaty lapoaly. Endasina ny fen’akoho ka ny lafiny misy hodiny no atao ambany izay vao havadika amin’ny lafiny misy ny nofony. Izany dia mba hikarepoka ny hodiny rehefa malemy tsara ny nofony. Endasina atao mahazo loko ny andaniny roa.
Miditra amin’ny fikarakarana ny saosy. Afangaro ao anaty lovia jobo kely ny tantely, saosy trondro, saosy huître, saosy soja ary rano antsasaky ny vera. Aroharoana tsara hifangaro. Rehefa mendy tsara ny fen’akoho dia arotsaka eo amboniny ilay saosy nokarakaraina io. Avela hiketrika moramore eo ambony afo malefaka ny nahandro mandrapaharitra ny saosy. Tsy atao mamay be ny afo satria lasa mora ritra ka tsy tafiditra tsara anatin’ny nofon’akoho ilay saosy.

Lire la suite

Articles Similaires