Moka : Bibikely mahafaty indrindra eran-tany
Marihana isan-taona ny 20 aogositra ny andro maneran-tany ho an’ny moka. Izany dia mba hanamafisana ny fiadiana amin’ity bibikely mitondra aretina isan’ny tena mandripaka maneran-tany. Isan-taona dia mahafaty olona aman’arivony maro tokoa izy io. Andeha ho fantarina eto ireo aretina azo avy amin’ny moka sy ny fomba fiadiana izany.
Ireo aretina azo avy amin’ny moka
Tsy ny moka no mamono mivantana ny olombelona. Izy kosa no mitondra sy mamindra ireo aretina ary manaparitaka izany amin’ny olona maro. Maro ireo aretina azo sy mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka, ka anisan’izany ny :
-Tazomoka. Avy amin’ny katsentsitra atao hoe « plasmodium » no mahatonga azy io. Ny moka « anophèle » no mitondra sy mamindra azy avy amin’ny olona marary mankany amin’ny olona salama. Na dia efa maro aza ireo fanentanana ho an’ny fiadiana amin’ny tazomoka dia mbola mijanona ho isan’ireo aretina mahafaty olona maro, indrindra aty Afrika, izy io.
-« Dengue ». Nomena ny anaram-bositra hoe « la grippe des os brisés » ity aretina azo avy amin’ny kaikitry ny moka ity noho izy miteraka fanaintainana lalina. Avy amin’ny viriosy entin’ny « moustique tigre » no mahatonga azy io. Mbola mandripaka tokoa ity aretina ity, indrindra any amin’ny faritra Asie sy Amérique latine. Efa manomboka miparitaka ao Europe ihany koa izy io.
-« Virus Zika ». Ny moka mamindra ny « dengue » ihany no mitondra sy mamindra ny « Zika ». Nahatonga valan’aretina lehibe izy io tamin’ny taona 2015-2016. Raha toa ka tsy dia mahery loatra izy io eo amin’ny lehibe dia mety tena mandoza kosa eo amin’ny bevohoka satria mety mitarika fahasamponana eo amin’ny zaza ao am-bohoka.
-« Chikungunya ». Otrikaretina avy amin’ny viriosy entin’ny moka « moustique tigre » ny « chikungunya ». Miseho amin’ny fanafiana mahery sy fanaintainana maharitra eo amin’ny vanintaolana izy io. Mety maharitra volana na taona maro moa izany fanaintainan’ny vanintaolana izany.
Ireo karazana toerana tena ahitana sy itoeran’ireo moka mitondra aretina
Ny toerana mandomando sy malomaloka no tena tian’ny moka. Ireo misy rano miangona no tena mampitombo azy ireny sy mora hiafenany. Isan’ireo zavatra mahasarika azy ireny ny « dioxyde de carbone », ny hafanana sy ny fofon’ny vatan’olombelona.
Mbola mitohy hatrany ny fiadiana amin’ny moka
Mbola mitohy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mikasika ny fiadiana amin’ny moka sy ireo aretina entin’izy ireny. Mifantoka amin’ireo ezaka amin’ny fanentanana ny mponina amin’ny fiadiana amin’ny moka sy ny fisorohana ireo aretina ireo ady atao. Anisan’izany ny fanentanana ny rehetra amin’ny fampiasana « moustiquaires » misy ody moka, ny fandrarahana fanafody mamono ny moka sy ireo atodiny eo amin’ireo faritra mandomando sy maloka, ny fanapariahana ireo vaksiny fanefitry ny aretina tazomoka…