• Cours de change
  • 5137.87 AR
  • |
  • $4435.45 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Festikite 2025 : Nofaranana tamin'ny "Course lakana" teo amin'ny moron-dranomasin'i Ramena

17/08/2025 21:07 © Moov

Nifarana androany 17 aogositra, teo amin'ny ranomasin'i Ramena ny hetsika "Festikite" andiany fahefatra, tamin'ny alalan'ny "course lakana". Vao tamin'ity taona ity, ny Mada Kite Bros, mpikarakara no nampiditra ity lalao iray ity, ary nahasarika olona maro. Nahitana lakana miisa 7 nandray anjara tamin’izany.

Ramena : tanànan'ny mpanjono

Nosafidiana manokana i Ramena, nanatanterahana ity famaranana ity, raha teny amin'ny Baie de Sakalava avokoa ny hetsika rehetra nanomboka ny zoma teo. Ny tanànan'i Ramena rahateo dia ilay antsoina hoe "Village des pêcheurs", izay mampiasa lakana ny ankamaroan'ireo mponina. Araka izany, izy ireo ihany no nifaninana tamin'ity "course" ity. Ny lakana tsirairay dia samy nahitana olona miisa efatra avokoa. Ireo lakana misy "voile" moa no nampiasaina tamin'ny lalao fa tsy ireo izay misy maotera mamelona azy.
Vory lanona ny mponina teo an-toerana, samy nanohana ny ekipany avy. Tsy ankijanona ny horakoraka sy ny teny fankaherezana ireo samy ankafiziny. Naresaka ny moron-dranomasin'i Ramena tamin'ity takarivan'ny alahady ity. Ankoatra ireo mponina dia saika tonga teo ihany koa ireo vahiny mpizahatany mandalo aty an-toerana sy ireo Malagasy hafa ary ihany koa ireo mponina ao an-tampon-tanànan'Antsiranana.

Lanonam-pamaranana nahitana an'i Anatal

Rehefa vita ny "course lakana" dia teo amin'i Ramena hatrany no nitohizan'ny lanonam-pamaranana ny hetsika. Isan'ny nandrasan'ny maro ny seho an-tsehatra nataon'i Anatal. Nampandihy sy nankafizin'ireo nanatrika ny hirany, toy ny « 6000 euros », ny "tô tsy maty amin’ny taono ty" sy ny maro hafa.
Ankoatra izany anefa dia notanterahina androany ihany koa ny fanolorana loka ho an'ireo nandresy tamin'ny lalao isan-karazany, izay efa hatramin’ny 14 aogositra, ka tao anatiny ny « carnaval ». Tao ihany koa ny "Kitesurf slalom" ny "wingfoil" sy ny "big air", natao teny amin'ny Baie de Sakalava. Nisy ihany koa teny ny lalao moraingy sy ny fifidianana "miss sy mister". Nikatona tanteraka araka izany ny varavaran'ny "Festikite" andiany fahefatra, izay fahombiazana hatrany hoy ireo mpikarakara. Raha tsiahivina dia nizotra am-pilaminana ny lalao rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires