« Poulet de chair » : mety mahavoa ny homamiadana ny fihinanana azy !
Matetika ny akoho amam-borona dia lazaina fa mahasalama kokoa noho ny hena mena, toy ny hen’omby. Singanina manokana amin’izy ireny nefa ny « poulet de chair » na ny akoha fakana nofony noho izy ireny mety mahavoa ny homamiadana ny fihinanana azy be loatra na matetika loatra. ‘Ndeha ho fantarina eto ny mikasika izany.
« Poulet de chair » : inona no antony tsy tsara hinanana azy ireny ?
Araky ny nambaran’ireo manam-pahaizana misahana ny fahasalamana ara-tsakafo dia mety mitarika homamiadana sasany, toy ny « lymphome », ny fihinanana « poulet de chair ». Ny anton’izany dia satria ny « poulet de chair » na ny akoho fakana nofony dia tafiditra anatin’ny sokajin’ireo atao hoe « volailles industrielles ».
Izany hoe miompana amin’ny fanerena azy ho lehibe sy hatavy haingana ny fiompiana azy. Mba hatongavana amin’izany dia ampiasaina fanafody sy sakafo misy singa simika isan-karazany izy ireny. Ireo singa ireo no mety misy fiantraikany eo amin’ny vatana sy ny fahasalaman’ny olombelona, ka anisan’izany ny fiforonan’ny homamiadana.
Inona no atao raha te hihinana akoho ?
Raha ny eto amintsika manokana dia tsara sy azo antoka kokoa ny mihinana akoho gasy. Ireto farany dia ompiana sy alehibiazina amin’ny fomba ara-boajanahary amin’ny fanomezana azy sakafo natoraly sy tsy misy akora simika. Toy izay ihany koa ny fihinanana atody.
Tsara kokoa raha atodin’akoho gasy no hoanina fa tsy ireo atody azo avy amin’ny akoho mpanatody lava. Ireto farany tokoa mantsy dia mitovy amin’ny fiompiana ny « poulet de chair » ihany ny fiompiana azy. Terena ho lehibe sy hanatody haingana amin’ny alalan’ny fanafody sy sakafo misy akora simika izy ireny.