• Cours de change
  • 5124.93 AR
  • |
  • $4441.78 AR
Copyright Image : © 7 Jours
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « bouffées de chaleur »

12/08/2025 14:34 © Moov.Mg

Re matetika ny hoe manao « bouffées de chaleur ». Ny vehivavy manao « périménopause » sy « ménopause » mahazana no tratran’izy io fa mety ho voakasik’izany ihany koa ny lehilahy. Fa inona tokoa moa no atao hoe « bouffées de chaleur » ? Inona no mety mahatonga azy ? Ahoana ny fisehony ? Inona no atao manoloana izany ?

Inona no atao hoe « bouffées de chaleur » ?

Ny « bouffées de chaleur » dia fahatsapana mafana be tampoka, matetika miaraka amin’ny hatsembohana. Ny tapany ambonin’ny vatana, toy ny tarehy, hatoka sy ny tratra moa no tena voakasik’izany. Mety ho vetivety, segondra vitsy, ny faharetan’izy io nefa koa mety haharitra minitra na ora maro. Mety manakorontana ny torimaso izy io rehefa mitranga amin’ny alina.

Ireo antony sy anton-javatra mety mahatonga azy

Maro ireo antony sy anton-javatra mety mahatonga ny olona iray hanao « bouffées de chaleur » :
Fikorontanan’ny hormonina. Avy amin’ny fihenan’ny famokarana « oestrogènes », izay matetika miseho mandritra ny « ménopause » na koa aorian’ny « hystérectomie » na fanesorana ny tranon-jaza miaraka amin’ny fanesorana ny « ovaires » mampihetsika ny « bouffées de chaleur ».
Anton-javatra hafa. Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety mampanao « bouffées de chaleur » na manamafy ireo fambara, toy ny hafanana, fisotroana toaka, sakafo mavesatra, fanatanjahantena, fihetseham-po mafy.

Ahoana ny fisehon’ny « bouffées de chaleur » ?

Tsy voatery mitovy ny fomba fisehon’ny « bouffées de chaleur » eo amin’ny olona tsirairay. Anisan’ireo fambara fahita ny :
-Fahatsapana mafana be tampoka ;
-Hatsembohana be ;
-Mivaramena ny tarehy, ny hatoka sy ny tratra ;
-Midoboka haingana na mafy be ny fo ;
-Mangovitra rehefa avy manao « bouffée de chaleur » ;
-Tsy mahazo aina ;
-Ratsy torimaso.

Inona no atao manoloana izany ?

Raha manao « bouffée de chaleur » dia mila atao izay mampangatsitsiaka ny tena. Anisan’ny azo atao amin’izany ny :
-Mankeo amin’ny toerana mangatsitsiaka ;
-Misotro rano mangatsiaka betsaka ;
-Petapetahana lamba nolemana rano mangatsiaka ny tarehy sy ny hatoka ;
-Manao akanjo maivamaivana sy mangatsitsiaka.
Manampy be ihany koa ny fanaovana « exercices de relaxation » sy « respiration profonde » mba hamehezana ny tebiteby sy ny rarintsaina. Ireto farany tokoa mantsy dia mety vao maika hanamafy ny « bouffées de chaleur ».
Raha toa ka miverimberina matetika be na manelingelina be loatra ny « bouffées de chaleur » dia tsara raha manantona mpitsabo. Ity farany no afaka manome ny fitsaboana na ny fandraisana an-tanana sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires