Fahasalamana : torohevitra hikoloana ny fahasalaman’ny voa
Taova lehibe miantoka ny fiasan’ny vatana ny voa ka mila arovana mafy tsy ho reraka na harary. Maro andraikitra sahaniny raha tsy hilaza afatsy ny fanadiovana ny rà sy ny famokarana hormonina, vitamina sy « enzymes » ao amin’ny vatana. Araho eto ary ny tokony atao mba hikolokoloana ny fahasalaman’ny voa.
Misotro rano tsara hitandrovana ny fahasalaman’ny voa
Mba hitandrovana ny fahasalaman’ny voa dia ilaina ny misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro. Mila misotro rano 1,5 litatra isan’andro fara fahakeliny mba handajalanjana ny fidiran’ny rano sy ny fivoahany ao amin’ny vatana. Tsara raha ferana na fadiana ny fisotroana zava-pisotro misy « gaz » noho ireto farany mandrisika ny fiforonan’ny vato ao amin’ny voa (calculs rénaux). Ny zava-pisotro mamy be sy ny toaka dia mety mampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja
Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana dia manamora ny asan’ny voa amin’ny fanatatavanana ireo loto ao amin’ny rà. Mila ferana ny fihinanana sira, menaka matavy, siramamy ary ireo sakafo voahodina noho izy ireo manavesatra ny asan’ny voa. Ny voankazo sy ny legioma no tsara hoanina betsaka. Ny hena sy ny trondro dia tsy tokony hihoatra ny in-droa isan-kerinandro ny fihinana azy noho izy ireo be « protéines ».
Mifady sigara sy ireo « substances toxiques » hafa
Manimba ny fiasan’ny voa ny setro-tsigara. Ny fihinanana fanafody be loatra ihany koa dia mety hahatonga izany rehefa any aoriana. Fadiana arak’izany ny manao dokotera tena, indrindra ny fihinanana fanafody manala fanaintainana tsy nahazoana torolalana avy any amin’ny mpitsabo. Ny fihinanana fanafody dia mila fahazoan-dalana sy fanaraha-maso avy amin’ny mpitsabo. Ny « toxicité » an’ny « molécules » ao anatin’ny fanafody sasany tokoa mantsy dia mety mamizaka sy manimba ny voa rehefa be loatra.
Manao fanatanjahantena na mampiasa vatana matetika
Manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny voa ny fanaovana fanatanjahantena matetika. Ny hatavezana dia mandrisika ny fiforonan’ny diabeta na ny aretin’ny fo sy ny lalandrà izay mety mitarika olan’ny voa. Ny fanaovana fanatanjahantena na ny fampihetsiketseham-batana 30 minitra isan’andro dia manampy hitazomana ny lanja
Manao fitiliana
Mora kokoa ny fitsaboana ny aretin’ny voa rehefa voaray an-tanana mialoha. Matetika ny aretina toy ny « insuffisance rénale » dia efa mihombo be vao hita. Amin’ny ankapobeny dia tsy dia ahitana soritr’aretina izy io raha tsy efa mihombo be ilay aretina ary efa simba be ireo voa. Ny fanaovana fitiliana matetika dia manampy amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny voa.